Andriamanitra ô, miantso anao aho, te hihaona aminao

(Sal. 62)

Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Miantso anao aho, te hihaona aminao.
 
1 Hatramin'ny maraina no iantsoako anao,
 Mangetaheta anao 'zany fanahiko.
 
2 Ny tany karakaina omeo ny orana,
 Ny foko mitaraina, fa te hahita anao.
 
3 Iriko anie, ry Tompo, ny ho eo anilanao,
 Hibanjina isan'andro ny voninahitrao.
 
4 Ny tara-masoandro andrasan'ny maraina:
 Manoatra noho izany ny fiantsoako anao.
 
5 Ny aina etý an-tany efa ankafizinay,
 Fa mamy noho izany ny hatsaram-ponao.
 
6 Fa ianao no aina hamelombelona ahy,
 Fa ianao, ry Ray ô, no hasambarako.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 147
Fihirana Hasina p. 216
Fihirana Vaovao p. 294
Vavaka sy Hira p. 292
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095