Aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo

Aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo,
Fa ny fiadanako no omeko anareo. (Jn. 14, 1. 27)

(Sal. 61)
 
1 Ao amin'Andriamanitra no iadanan'ny fanahiko,
 Avy aminy tokoa no nahazoako fanavotana,
 Ary izy irery ihany moa no tena vatolampiko,
 Sady izy irery ihany koa no tena fanavotana:
 Mijoro tsy hihontsona aho, fa izy re no rovako.
 
2 Fa ianareo kosa ho' aho mba mandra-pahoviana,
 Mba mandra-pahoviana no ifofoana olo-marina?
 Fofoina mba hikoro ka hirodana toa rindrina,
 Ambony toerana izy ka tadiavina hidaraboka,
 Ry olona mpihatsaravelatsihy, ô ry mpamitaka!
 
3 Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana
 Ao amin'Andriamanitra 'zay antenaiko fatratra,
 Ary izy irery ihany moa no tena vatolampiko,
 Sady izy irery ihany koa no tena fanavotana,
 Mijoro tsy hihontsona aho, fa izy re no rovako.
 
4 Avy amin'Andriamanitra tokoa ny fanavotana,
 Miorina eo akaikin'ny Tsitoha ny voninahitro
 Fa izy fialofa-mahatoky, vatolampiko,
 Ka aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany,
 Dia izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.
 
5 Andeha isika hidera an'Andriamanitra fialofana,
 Naniraka ny Zanany hitondra fanavotana,
 Nanala antsika ho afaka amy jiogam-pahafatesana,
 Mba hankahery antsika, dia nomeny ny Fanahiny
 Hanampy antsika hiaina sy hamaly ny fitiavany.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 129
Fihirana Dera p. 249
Fihirana Hasina p. 215
Fihirana Vaovao p. 234
Vavaka sy Hira p. 291
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368