Mitehafa tanana

(Sal. 46)

(Mitehafa tanana)                  )
Mitehafa tanana,                   )
Miderà an'Andriamanitra;      )
(Fa ny Tompo avo indrindra) ) (indroa)
Fa ny Tompo avo indrindra    )
Tolory hobim-pifaliana.         )
 
1 Derao ilay nahary antsika e,
       Derao ny Andriamanitsika e
 Derao ilay namonjy antsika e,
       Derao ny Andriamanitsika e
Derao ilay nandala antsika e,
       Derao ny Andriamanitsika e
 
2 Hobio ilay nitia antsika e,
       Hobio ny Andriamanitsika e,
 Hobio ilay niantso antsika e, hobio...
 Hobio ilay nifidy antsika e, hobio...
 
3 Hirao ilay tokintsika e,
       Hirao ny Andriamanitsika e,
 Hirao ilay herintsika e, hirao...
 Hirao ilay fiainantsika e, hirao...
 
4 Tompoy ilay Mpanjakantsika e,
       Tompoy ny Andriamanitsika e,
 Tompoy ilay mpiaro antsika e, tompoy...
 Tompoy ilay Tompontsika e, tompoy...

Nampiditra Belle
Sokajy Fihobiana - Salamo
Antsao ny Tompo p. 25
Fihirana Dera p. 47
Fihirana Hasina p. 210
Fihirana Vaovao p. 148
Vavaka sy Hira p. 283
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091