Ey, ny heloka nataoko

1 - Ey, ny heloka nataoko, sady be no lehibe ;
'Zaho diso fahazaza, valo aho, Tompo o.

Fiv: Tompo o, Tompo o, mamindra fo amiko.

2 - A, ny fo tsy manan-tsiny, soa tanteraka tokoa ;
Fa ny fo voaloto kosa, misy ratsy toa azy va ?

3 - Loza re ny fahotana, tsy mba manam-paharoa ;
Izy no mandroaka Tompo, izy no mandoto fo.

4 - Fa ny sazy loza indrindra, ho an'ireo izay maditra
Ka tsy mety mba mibebaka, dia ilay mandrakizay.

5 - E, Ianao Andriamanitra, Jesoa Tompo tsara fo,
Maty mba hanavotra ahy, mamindra fo amiko.

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy
Fihirana Dera p. 113
Fihirana Vaovao p. 393
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092