Ny tsodranonao, ry Tompo

Ny tsodranonao, ry Tompo, arotsahy,
Arotsahy aminay zanakao,
Ka ny tananao anie hitantana anay
Mandritra ny andro hiainanay.
 
1 Ny tsodranonao anie tsy hisaraka aminay
 Mandritra ny andro izay hiainanay etý;
 Ny fahasoavanao anie hanampy sy hitahy;
 Osa sy malemy re ireto zanakao.
 
2 Ny fitiavanao, ry Ray, tsy hisaraka aminay,
 Ny fiadananao, ry Jesoa, hanjaka ao am-ponay;
 Hanazava sy hankahery hatrany hatrany anie
 Ny afom-pitiavanao e, ry Fanahy ô.
 
3 Tsofy rano re, ry Tompo, ny mpitondra anay,
 Ireo ray sy reny, izay mpanao soa anay;
 Tsofy rano koa, ry Tompo, ny mahantranao,
 Ny kamboty sy ny babo izay matoky anao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 199
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085