Faly aho, ô ry Tompo ô

Vahoaka:                           Mpitarika:
Faly aho                            ô ry Tompo ô,
Faly aho                            ô ry Tompo ô,
Faly aho                            ô rry Ray ô,
Faly aho                            ry Mpanjakanay,
Faly aho                            nohenoinao a,
Faly aho                            fa zanakao a,
Faly aho                            raha mba nitalaho a,
Faly aho                            nekenao vavaka
Faly aho                            ka nahazo vonjy aho
Faly aho (hany ka faly)      ka faly.
 
1 Mitehafa tanana isika hihoby an'Andriamanitra,
 Ary nahoana moa no tsy handihy aho hanambara
 Fa Raiko ianao ka tiako sy ankalazaiko. (indroa)
 Tsy hitsahatra aho ny hankasitraka anao a
 Sy hamerimberina amy tenin-drazako ny hafaliako,
 Fa mahita anao, mahalala anao hoe: Raiko ianao. (indroa)
 
2 Nandinika lalina tamin'ny saina amam-panahiko aho
 Ka nanohina ahy ny safidinao niantefa tamiko a:
 Nanavotra ahy, nanangana ahy ho zanakao. (indroa)
 Lehibe amiko izao fihetsika nasehonao a,
 Zava-tsy nampoiziko mihitsy anie ny ho zanakao a:
 Hay Raiko ianao ka tiako sy ankalazaiko. (indroa)
 
3 Mientanentana ny fanahiko misaotra anao a,
 Zava-tsy nampoiziko mihitsy anie ny ho zanakao a:
 Hay Raiko ianao ka tiako sy ankalazaiko. (indroa)
 'Zany hafaliako andeha hihaona amin'ny Raiko a
 'Zay ankalazaiko eo anivom-bahoaka amin'ny asa ataoko a,
 Anakalazaiko amin-java-maneno sy dihin-drazako. (indroa)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 288
Fihirana Hasina p. 197
Fihirana Vaovao p. 446
Vavaka sy Hira p. 546
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107