Jesoa Kristy Tompo, misaotra Anao 'zahay

Jesoa Kristy Tompo, misaotra anao 'zahay
Noho ireo soa nomenao anay,
Sambatra izahay e, ka velon-kira hoe:
Dera ho anao, ry Tompo tsara fo, )
Fankasitrahana sy voninahitra,     ) (indroa)
Mandrakizay.
 
1 'Lay voatsinapy kelinao 'zay nafafy teto aminay
 Indro mamoa zato heny,
 Ka tonga voninahitry ny Nosinay.
 
2 Noho ny fahasoavanao, dia mitombo be ny vokatra,
 Nefa tsy ampy ireo mpijinja:
 Koa mitalaho, ampitomboy ny mpiasanao.
 
3 'Reo tokantrano Malagasy hamasino sy arovy re:
 Ianao no Fototra ijoroany,
 Aina ivelomany sy Andry iankinany.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Fihirana Dera p. 155
Fihirana Hasina p. 194
Fihirana Vaovao p. 179
Vavaka sy Hira p. 656
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0995