Tia anay ianao, ry Jesoa

Tia anay, tia anay ianao, ry Jesoa,)
Mampiombona anay,                      ) (indroa)
Mampihavana anay amin'ny Ray!    )

1 Endrey 'ty famantarana, ô ry Jesoa Tomponay,
 Fa niara-nisakafo taminay tokoa ianao:
 'Zany re ka fanasana enim-boninahitra!
 Enga anie hinoanay f'ianao no hany hamonjy anay.
 
2 Endrey 'ty fiadanana, ô ry Jesoa Tomponay,
 Fa niara-nisakafo tamin'ny mpanota ianao:
 Izy ireny, hoy ianao, no indro nahatongavanao;
 Enga anie ho tsapanay fa mila anao tokoa 'zahay.
 
3 Endrey 'zany hafaliana, ô ry Jesoa Tomponay,
 Fa niara-nisakafo tamin'ny mpianatrao ianao:
 Teo am-pamakiana mofo, velona aina ny finoany;
 Enga anie ho fantatray fa fiainanay tokoa ianao!
 
4 Endrey 'ty fitiavana, ô ry Jesoa Tomponay,
 Fa miara-misakafo aminay tokoa ianao:
 'Zay mandray ny mahantra dia mandray ny Tenanao;
 Enga anie hanananay ny fo nitiavanao anay!
 
5 Endrey 'zany hasambarana, ô ry Jesoa Tomponay,
 Fa ho avy indray ianao rahefa feno ny fotoana,
 Ka hanasa ireo voafidy hiara-komana aminao,
 Enga anie 'zahay rehetra hahandry ny hiverenanao!

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Ankalazao ny Tompo p. 232
Fihirana Dera p. 230
Fihirana Hasina p. 192
Fihirana Vaovao p. 435
Vavaka sy Hira p. 508
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009