Tompo ô, 'zany hafaliako

Tompo ô, 'zany hafaliako zanakao natsanganao e;
I Kristy no ato amiko: velona aho fa velona izy.
 
1 I Kristy no masoandro be, hazavana avy aminao, ry Ray;
 Izahay no toy ny tarany manazava izao tontolo izao.
 
2 Faniriana ny ho velona, vetsovetso ny ho sambatra;
 I Kristy no tena aina, hasambarana mandrakizay.
 
3 Fikasana ny hihavana, mba ho tia sy hotiavina;
 I Kristy no be fitiavana, izy monina ato am-ponay.
 
4 Tia anao 'zahay fa zanakao, Rainay tsy mbola hitanay;
 I Kristy eto afovoanay no mitaona anay ho aminao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Ankalazao ny Tompo p. 178
Fihirana Dera p. 204
Fihirana Hasina p. 191
Fihirana Vaovao p. 122
Vavaka sy Hira p. 695
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091