Misaotra anao, Jesoa hôstia

1 Misaotra anao, Jesoa hôstia,
 Misaotra anao i Madagasikara:
 Mahafaly anay ny fitiavanao.

Dera sy laza no atolotray
Ho anao, ry Mpamonjy tsara fo,
Anjakao 'zahay, Kristy.
 
2 Ny Vatanao sy ny Ranao
 No natolotrao hamonjena anay:
 Mahagaga loatra ny fitiavanao.
 
3 Ela tokoa no nanolorana
 Ny lamesa masina teto aminay:
 Lehibe tokoa ny fitiavanao.
 
4 Manome toky 'zahay rehetra
 Fa ho tia anao sy handray anao:
 Maminay tokoa ny fitiavanao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 94
Fihirana Hasina p. 188
Fihirana Vaovao p. 378
Vavaka sy Hira p. 747
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1154