Izaho no Mofon'ny fiainana, hoy ny Tompo

Izaho no Mofon'ny fiainana, hoy ny Tompo;       )
'Zay manatona ahy tsy ho noana intsony,           ) (indroa)
'Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay e.  )
 
1 Lazaiko anareo fa izay mino ahy, hoy ny Tompo,
 No manana ny fiainana tsy manam-piafarana.
 Lazaiko anareo fa izay mino ahy no manana,
 No manana ny fiainana tsy manam-piafarana.
 
2 Sakafo mahavelona tokoa 'zany Teniko, hoy ny Tompo
 Anabavy sy rahalahiko 'zay mihinana azy. Sakafo...
 
3 Ny Nofo aman-dRako 'zay raisinareo, hoy ny Tompo,
 No Vatsy sy Aina mampiray anareo. Ny Nofo...
 
4 Raha tonga ny andro farany, hatsangako ho velona, hoy ny Tompo,
 Ireo mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako. Raha tonga...
 

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Ankalazao ny Tompo p. 84
Fihirana Dera p. 194
Fihirana Hasina p. 186
Fihirana Vaovao p. 327
Vavaka sy Hira p. 507
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0612