Faly ny fonay anio

1 Faly ny fonay anio, fa nandray anao re,
 Jesoa Tomponay, sakafon'ny fanahinay.
 Fa ianao no nidina tanatin'ny fonay,
 Namangy sy nitondra ny hasoavanao.
 
Faly ny fonay anio, fa nandray anao re,
Jesoa Tomponay, sakafon'ny fanahinay.
 
2 Zanaharinay, Andriamanitry ny lanitra,
 Ianao tokoa no tonga ato anatinay:
 Ny maso tsy mahita ny tena fombanao,
 Fa ny finoana marina mahay mahita anao.
 
3 Ry Mpamonjinay, aoka izahay tsy ho sodokan'
 Ny harena foana etý ambony tany etý;
 Fa ianao irery no tadiavinay,
 Sy mahafaly anay, sy ho anjaranay.
 
4 Ny avalinay anao, Jesoa harena marina:
 Ny fahaizanay sy ny fiainanay rehetra;
 Fa ravoravo loatra ny fonay vao mandre
 Sy vao mahita tsara ny fitiavanao.
 
5 Ianao, ry Jesoa, mba mitoera ao aminay,
 Mba hadio fo 'zahay sy mba ho tia anao:
 Tariho re 'zahay an-dalana ombanao;
 Rahefa tapitra andro, akaro any aminao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 92
Fihirana Hasina p. 184
Fihirana Vaovao p. 378
Vavaka sy Hira p. 752
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305