Misy feo miantso anao ka henoy, ry Maria

1 Misy feo miantso anao ka henoy, ry Maria!
 'Zao ny tenin'izy Tompo nolazain'ny mpaminany:
 "Ny tarana-behivavy no hamotika ny ratsy".
 Tsy iza izany fa ianao 'zay voafidy mba ho Reniny.
 Moa vonona ny hino 'zay voalahatr'izy Tompo?
 
Tena sitrako tokoa
'Zay voalazan'izy Tompo!
 
2 Misy feo miantso anao ka henoy, ry Zôzefa!
 'Zao ny tenin'izy Tompo nolazain'ny mpaminany:
 "Fa taranak'i Davida 'lay Mpamonjy vao ho teraka".
 Tsy iza akory fa ianao no hiantoka ny zanany,
 Moa vonona ianao ny hiahy izay ho Reniny?
 
3 Misy feo miantso anao ka henoy, ry olon-tiany!
 Mba tsaroanao va re ilay tenin'izy Tompo:
 "Tena zanak'Andriamanitra tanteraka ianareo?"
 Voatendry ianao izao mba ho taranany eto an-tany,
 Moa vonona hitia, eny, hatramy fahavalo?
 
4 Misy feo miantso anao ka henoy, ry voafidy!
 Mba tsaroanareo va re ilay tenin'izy Tompo:
 "Ny fanananao ilaozy, dia avia manaraka ahy?"
 Moa vonona tokoa, eny, ambara-pahafaty?
 
5 Misy feo miantso anao ka henoy, ry tinendry!
 Mba tsarovanao va re ilay tenin'izy Tompo:
 "Mandehana mitoria ny Vaovao Mahafaly?"
 Voatendry ianao izao hanamasina ny olona.
 Moa vonona hanompo sy hamory ny vahoaka?

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 313
Ankalazao ny Tompo p. 382
Fihirana Hasina p. 606
Vavaka sy Hira p. 527
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093