Andriamanitra dia fitiavana, fitiavana mandrakizay

Andriamanitra dia fitiavana,
Fitiavana mandrakizay.

1 Nohariany isika olombelona,
 Notsoahiny tamin'ny tsinontsinona e,
 Mba ho sambatra mandrakizay miaraka aminy.

2 Isan'andro isan'ora Andriamanitra
 No mitandrina sy mitahiry antsika re,
 Ka hobio sy derao izany tombom-pitiavany.

3 Sesehena ireo fahasoavana
 Omeny antsika isan'andro vaky re,
 Ka hobio sy derao ny anarany masina.

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 32
Fihirana Dera p. 191
Fihirana Hasina p. 339
Fihirana Vaovao p. 230
Vavaka sy Hira p. 479
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0535