Tompo nahary ny zava-drehetra

1. Tompo nahary ny zava-drehetra
Tamim-pahefana mahery
Fehezinao ny zava-boaary,
Hankalaza Anao isan'ora.

Fiv.: Dera no atolotray Anao
Ry Tompo sy Andriamanitra,
Raiso ny haja feno saotra
Ambino 'zahay zanakao.

2. Sambatra izay tsy mandika ny didy
Ka mitandrin-tena isan'andro;
Ny lanitrao, ry Tompo Tsitoha,
No ho valisoa antenainy.

     3. Mangata-bonjy aminao izahay
     Hahazetanay aminao.
     Tolory vonjy fa mety resy,
     Tantano 'zahay zanakao.

 
Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 726
Vavaka sy Hira p. 473
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092