Ry Tompo ô, miankohoka eto an-tongotrao

1. Ry Tompo ô,
Miankohoka eto an-tongotrao
Ry Tompo ô,
Izao rehetra hita izao
Mitory sy mampiaiky anay
Fa Anao ny hery, Anao 'zahay
Ry Tompo ô!

2. Misaotra Anao,
Mpahary sy mpivimbin-dava
Misaotra Anao,
Tsy hita holazaim-bava
Ny soa be izay atosakao
Hatra ny ela ka hatrizao
Misaotra Anao.

3. Mba raiso re
Ny tolo-pom-pankasitrahana
Mba raiso re
Omen-tontolo tsy avahana
Na tena, aina, fananan-tsoa
Atolotra eo an-tanan-droa
Mba raiso re.

4. Ampio 'zahay
Fa osa sady tsy ampy hery,
Ampio ' zahay
Manahy be fa sao ho very
Tsy misy toky fa tsy ho voa
Ianao no vonjy sy aro koa.
Ampio ' zahay !

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 706
Vavaka sy Hira p. 469
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087