Misaotra anao 'zahay (1) Andriamanitra Rainay

1. Misaotra Anao ' zahay,
Andriamanitra Rainay, 
Nasehonao anay
Ny famindram-ponao.

2. Efa nisava ny haizim-pito 
Ka mijoro eto aminay 
Ny Eglizy Katôlika 
Vatolampin'ny famonjena; 
Sambo fiara mahatoky 
Hitodiana am-paradisa.

(Dia averina daholo vao tohizina hoe) 

3. Arotsahy aminay
Ny tso-drano saro-bidy, 
Handrosoanay rehetra 
Amin'ny lalam-pamonjena 
Jesoa Kristy Zanakao,
No mintantana ny dianay.
 
Averina fanindroany ny andininy
faha-3, ka sady haingana no mafy.

Nampiditra hery
Fihirana Dera p. 154
Fihirana Hasina p. 603
Vavaka sy Hira p. 465
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281