Voninahitra anie ho an'ny Ray

Fiv.: Voninahitra anie ho an'ny Ray
Voninahitra mandrakizay.
      
1. Dera ho Azy noho ny aina 
Ary koa noho ny saina 
Anefana izay rehetra ilaina.
 
      2. Dera noho ny hafaliana 
      Ary koa ny fijaliana 
      Andreseny ny fahakiviana.
 
3. Dera noho ny fahasoavana 
Entintsika hifankatiavana 
Ary koa hifanasoavana.
 
      4. Dera noho ny fiezahana 
      Itambarana, iarahana 
      Hanorenana ny fahafahana.

(miova ny feony) 
5. Ary aoka, ry Ray, 
Tsy hisaraka izahay
Fa hidera Anao mandrakizay. 


Nampiditra hery
Fihirana Hasina p. 746
Vavaka sy Hira p. 464
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091