Ianao ilay nanokana vahoaka

1. Ianao ilay nanokana vahoaka
Sy nanolotra ny Tananao taminy 
Moa tsy najoronao izy va
Ho hazavan'ny firenena eto an-tany? 

Fiv : Mba tsarovy hatrany, Tompo ó, 
Ny Ra, fanekena vaovao!

2. Notsahivinao sy nianiananao 
Io fanekena io hatrany hatrany 
Ireo biby notsitsihin'i Abrahama 
Nodoran'ny afonao mba ho fanamby,

3. Manadino ny naterany va re
'Zany reny tsy hangoraka ny zanany? 
Eny, na dia manadino aza izy
Ianao, Tompo ô, tsy manadino! 

4. Hotsaroanao ny Ran'ny Zanakao 
'Zay natolotra hanafaka ny ota 
F'izahay vahoakanao navotan-dafo 
Miantsoantso sy maniry Anao, ry Ray,

5. Ary sarin'io fanekena io
Mampiray Anao amin'ny vahoakanao
Ny fitiavana mamehy ny mpivady 
Eo ambany masonay Ialandava.

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 52
Fihirana Hasina p. 506
Fihirana Vaovao p. 436
Vavaka sy Hira p. 460
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092