Anatrehanao, ry Ray, mitsaoka anao izahay

1. Anatrehanao, ry Ray, 
Mitsaoka anao izahay 
Noho Ianao nahary anay 
Sy izao tontolo izao
Sy izay rehetra eo aminy 
Misaotra anao koa
Fa tena tsara ianao
Ary tena tsara indrindra!

2. Noho ny Teninao, ry Ray, 
Izay tsy hafa fa ianao, 
Naharianao anay
Sy izao tontolo izao
Sy izay rehetra ao aminy 
Misaotra an-tanan-droa 
Namonjy anay ianao! 
Fa fitiavana ianao.

3. Ny Fanahinao, ry Ray, 
No mitobaka ao anaty, 
Ary aina ho anay
Sy izao tontoio izao
Sy izay rehetra eo aminy 
Hoderaina anie ianao 
Am'taona tsisy fetra 
Ka ho mandrakízay!

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 17
Fihirana Hasina p. 382
Fihirana Vaovao p. 331
Vavaka sy Hira p. 458
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094