Afaka olan-teny 'zay manan-joky

1. Afaka olan-teny 'zay manan-joky: 
I Jesoa no Zoky Andriamanitray. 
Sitraky ny Ray mba hisolo vava: 
Hifona ho anay noho ny helokay! (indroa)

2. Manan-jara ihany 'zay velon-dray. 
Mahery ny Ray Andriamanitray; 
Manan-jo 'zahay satria mpandova: 
Nomeny anay ' zao rehetra izao! (indroa)

3. Sambatra tokoa'zay mifankatia: 
Iray ny Fanahy Andriamanitray, 
Fihavananay zanaky ny Ray,
Ka mamy ny miaina ny fiainanay ! (indroa)

4 Velom-bolo kosa ny manan-dreny:
Fa Reny tokoa ny Fiangonanay,
Miaritra ny mafy fa mpivahiny:
Mitantana anay ho any an-tranon-dRay.  (indroa)

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 201
Fihirana Dera p. 252
Fihirana Hasina p. 92
Fihirana Vaovao p. 525
Vavaka sy Hira p. 458
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091