Ry Tompo Andriamanitra Rainay, henoy ny antsonay

1 Ry Tompo Andriamanitra Rainay
 Henoy ny antsonay:
 Jereo ny tolotra aterinay,
 Henoy ny antsonay.
 
Raiso, Tompo, ny hasina )
Avy aminay zanakao.      ) (indroa)
 
2 Mba raiso ny mofo atolotray...
 Ho Vatan'i Jesoa Mpamonjy anay...
 
3 Atolotray eto koa ny divay...
 Hovàna ho Ran'ny Mpanavotra anay...
 
4 Atolotray koa ny tenanay...
 Ho anao, ry Tompo, mandrakizay...
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 74
Fihirana Hasina p. 175
Fihirana Vaovao p. 362
Vavaka sy Hira p. 726
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225