Ry Rainay an-danitra ao, misaotra anao ny zanakao

1 Ry Rainay an-danitra ao,
 Misaotra anao ny zanakao,
 Fa velona aina tafahaona,
 Afa-midera ny anaranao.
 
Ka raiso re ny sorona atolotray:
Kristy, ary izahay manolo-tena,
Vavolombelon'ny fitiavanao (fitiavanao e),
Vavolombelon'ny fitiavanao.
 
2 Ry Rainay an-danitra ao,
 Ifonanay ny andro lasa:
 Ampio izahay e ho tia anao,
 Te hampanjaka ny anaranao.
 
3 Ry Rainay an-danitra ao,
 Mba raiso re 'zao fikasana:
 Jesoa Kristy e tsy avelanay
 Hiasa irery manompo anao.
 
4 Ry Rainay an-danitra ao,
 Jesoa Kristy no fiainanay:
 Hasehonay ny fitiavanao,
 Hamonjenao 'zao tontolo izao.
 
5 Ry Rainay an-danitra ao,
 Faly izahay tiavinao,
 Velominao e, arovanao
 Ho am-paradisa mandrakizay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 70
Vavaka sy Hira p. 738
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267