Mofo sy divay e no atolotray aminao, ry Tompo

1. Mofo sy divay e no atolotray e
 Aminao, ry Tompo.
 Mofo sy divay no atolotray...
 Aminao, ry Tompo Andriamanitra ô...
 Toy ny nanafaran'i Jesoa...
 Raiso re, ry Ray ao an-danitra ô...
 
2. Mba ho sorom-belona e,
 Soron'i Jesoa ô, namonjeny anay.
 Mba ho sorom-belona hamonjy,
 Hamasino re, Andriamanitra ô...
 Mba ho Ra sy Vatan'i Jesoa...
 Raiso re, ry Ray ao an-danitra ô...
 
3. Ny fiainanay e no atolotray e
 Mba ho sorom-belona.
 Ny fiainanay no atolotray,
 Hanompoana anao, Andriamanitra ô...
 Hitiavanay ireo namanay...
 Raiso re, ry Ray ao an-danitra ô...
 
4. Mba omeo anay e 'lay mofon'aina e
 Avy any an-danitra.
 Mba omeo ilay mofon'aina
 Hivelomanay ao aminao...
 Hampiray anay, hankahery anay...
 Raiso re, ry Ray ao an-danitra ô...

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 71
Fihirana Hasina p. 172
Fihirana Vaovao p. 364
Vavaka sy Hira p. 729
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091