Midìna, ry anjely masina

1 Midìna, ry anjely masina,
 Hitondra ity hôstia madio
 Ho any am-paradisa soa,
 Ho fiderana ny Tompo.
 
Ry Andriamanitra,
Mitsaoka anao 'zahay e,
Ankasitraho re ity fanatitray.
 
2 Mba ento, ry anjely masina,
 Ity kalisim-pamonjena
 Ho any am-paradisa soa,
 Ho fisaorana ny Tompo.
 
3 Mba raiso, ry anjely masina,
 Ho sorona ny tenanay e
 Ho any am-paradisa soa,
 Ho voninahitry ny Tompo.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 72
Fihirana Hasina p. 172
Fihirana Vaovao p. 365
Vavaka sy Hira p. 730
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137