Mba raiso re, ry Ray, ny mofo sy divay

1 Mba raiso re, ry Ray, ny mofo sy divay
 Atolotry ny pretra ho soronay rehetra. (indroa)

2 Atolotray, tazano ny fijalianay,
 Ka raiso toy ny rano anatin'ny divay. (indroa)
 
3 Ny rakitry ny tany tsy ankatoavinao,
  Ny Ran'i Jesoa ihany no mendrika ho Anao (indroa)

4 Na lehibe na zaza dia harin-tananao,
 Ka vory mankalaza indray mitsaoka anao. (indroa)
 
5 Nanota taminao, ka dia manondri-doha:
 Mifona ka avelao, ry Tomponay Tsitoha. (indroa)
 
6 Henoy izao talaho, jereo ny fonay,
 Diovy, androtsaho 'lay Ra namonjy anay. (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 79
Fihirana Hasina p. 171
Fihirana Vaovao p. 366
Vavaka sy Hira p. 731
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301