Ny Saple sy ny Rozery

Isan'ireo hahazoan'ny Katolika tsiny matetika ny fanaovana ny saple. Isika rahateo ato anatin'ny volan'ny Rozery (Oktobra). Hoy ny sasany hoe maninona no be dia be ny "Arahaba ry Maria", ao koa ny manao hoe “ Manao vavaka lava loatra ny katolika”.

Ho an'izay tsy mahalala dia hanome fanazavana kely aho hoe inona tokoa no raketin'ity saple sy ny rozery ity, izay marihina etoana fa lasa 200 ny "Ave Maria" raha 150 izany teo aloha rehefa nampian'i Papa Joany Paoly Faharoa ny mistery dinihina dia ny mistery mamirapiratra na koa mistery manazava.

Endrika:

1-vao Mahita ny saple angamba isika dia mahita miavaka tsara no mivandravandra sady lehibe indrindra dia ny Lakroa Masina misy ny sarin'i Jesoa Mifantsika. Tokony hampiheritretra dieny mialoha ny rehetra izay.

Raha mijery ny Endriky ny saple isika dia eo amin'io Lakroa io no ao ataoko hoe Fototra hipoiran'ireo voany mifampitohy manaraka rehetra. Manana dika lehibe izany dia hoe i Kristy no Ivon'ny Saple, ny Fibanjinana azy no iorenan'ny vavaka ao amin'ny saple, ny Rozery . Koa hoy aho hoe: sampy ve izany? valiny: Tsia. Ratsy ve izany? Tsia. Ankasitrahan'ny Tompo ve izany? Eny.

2-Miakatra eo ambony dia Misy sampanana telo dia ny iray avy eo amin'ny Lakroa miakatra ary avy eo misampana roa izay miodidina mifandray ny ankavia sy ankavanana. Eo amin'ireo fifandraisan'ireo lalana 3 ireo izay tahaka ny Rond-point dia matetika misy sary eo hitantsika eo arakaraky ny saple!! matetika moa dia ny sarin'i Masina Maria no eo, misy koa anefa ny sarin'i Md Zozefa koa(indraindray miaraka) sns...

Raha asiana fanazavana tsotra dia hoe ilay sary(sarin'i Masina Maria) eo ampovoany izay hanomboantsika ireo Mistery dia manambara ny Fiarahan-diantsika Miaraka amin'i Masina Maria amin'ny vavaka atao io. Izany hoe Miaraka amintsika izy manohy ilay vavaka ataontsika rehetra. Ary mampiseho koa fa I Masina Maria no ilay Mpianatr’I Kristy voalohany ka ao aminy no lalana azo antoka hankanesantsika ao amin'i Jesoa. Ny Mivoitra ihany koa dia tamin’ny alalan’i Maria no nahafahantsika nandray an’i Jesoa koa tahaka izay ihany koa isika dia ao amin’i Maria no hahafahantsika Mandray amin’ny fomba lavorary indrindra an’I Jesoa. Raha nila an’I Maria, Andriamanitra mba hitakosinany amintsika moa sahy hilaza isika fa tsy mila an’i Maria ihany koa isika izao mba hankanesantsika ho toy ny fantsona tsara indrindra hiarahantsika monina Amin'Andriamanitra? Am-po mieritreritra.

3- Misy voany Lehibe sy Madinika. ny Lehibe dia ny "Rainay" ary ny Kely dia ny "Arahaba".

Ny fanaovana ny ho lehibe ny Rainay dia mametraka amin'ny toerany ny vavaka nampianarin'ny Tompo ho vavaka lavorary indrindra no tsara indrindra. Ny voany Kely kosa dia ny "arahaba" dia Mampifantoka ny fanetrentenan'i Maria ilay Ankizivavin'ny Tompo, ilay nanao ho mpanompon'ny Tompo, andevo hoy ny fitenenan'ny sasany.( jereo Lioka 1)

4- Ny voany Kely miisa folo ary miverina in-5 amin'ny saple iray. Manambara ny fankalazana ataon’izao tontolo izao araka ny faminaniana nataoin’I Maria hoe indro ataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho. (Lioka 1) izany hoe ny Kaontinanta 5. Ireo fitohizany ireo ihany koa izay toa faribolana dia miendrika ireo satro-boninahitra hitan’I Md Joany ao amin’ny Apokalipsa izay misy ny kintana 12. Noho izany dia isaky ny manao Sapile sy raozery isika dia mandray anjara amin’ny fanekentsika azy ho mpanjakavavin’ny Lanitra. Ka ametrahantsika vonindraozy eo andohan’I Maria. Izany dia ho fanomezankaja azy toa ny nanomezan’I Salomona Mpanjaka ny Reniny teo amin’ny toerana ambony ka nametrahany ny seza fiandrianan-dreniny teo ankavanany.(vakio 1Mpanjaka 2). Mihoatra lavitra noho izany ny ataon’I Jesoa an’ilay reniny.

 

Ny Vavaka:

1- Vao Manomboka ny Rozery dia ny “Izaho Mino” no hanomboana azy ka eo amin’ny Lakroa izany!! Ka eo sahady dia diso fihevitra ireo milaza fa Fanompoantsampy atao amin’I Maria ny Fanaovana Saple!! Araka ny nolazaiko tetsy ambony fa I Jesoa no Fototry ny vavaka rehetra fa indrindra ny Rozery!

2- Manaraka izay dia ny “Rainay”, mamoha ao amin’ny Olona ny fibanjinana an’I Jesoa hatrany ao anaty vavaka ary aina lehibe aminy vavaka izay atao.

3- Izay vao ireo “Arahaba” in-3 mampiomana ny fo amam-panahin’izay manao ny vavaka amin’ny Misterin’I Kristy, ny Misterim-pamonjena antsika tamin’ny nanoloran’Andriamanitra ny zanany Lahitokana ho antsika. Ny isa telo dia ilazana fahafenoana sy ny Mistery lehiben’Andriamanitra.

4- Manaraka ny “Voninahitra” Andriamanitra no Omemboninahitra ao amin’ny toko saple ka ho azy no anton’ny Zavatra rehetra ary ao aminy no hivondronan’ny Fiderana rehetra.

5- Ny “arahaba” miverina im-10. Hoy ny sasany hoe maninona no atao miverimberina be ilay “Arahaba ry Maria” izany ve tsy mampihetry an’I Jesoa?  ny valiny dia Tsia. Nahoana no averina im-10. Arapsikolojia dia ny famerimberenana zavatra iray dia manampy ny saina sy ny fanahy hanary ireo zavatra mamatotra ny sainy amin’ny fanelingelenan’ny manodidina azy (raha amin'ity vavaka ity dia manampy antsika hanohitra ny fanabataban'ny Satana amin'ny vavaka atao) . Izany hoe Mampifantoka ny tena ao anaty fibanjinana an’Andriamanitra bebe kokoa hatrany. Eo amin’ny vavaka amin’ny maha vavaka azy ihany koa dia hoentina indrindra handinihana ireo Misterin’I Kristy izay voatanisa. Satria araka ny Endrika voalaza teo ambony dia Misy Mistery Banjinina izay Mizara Dimy (05) ka ny toko saple iray dia hoentina mandinika ny Mistery iray (ohatra Mistery Mahafaly), koa ireo “Arahaba” averiny im-10 ireo dia ampifantohana ny Saina ao anaty, ny fanahy Mibanjina an’I Kristy an'ireo Mistery. Ny isa 10 ihany koa dia mampahatsiahy ny Firaketana amin’Andriamanitra toa ny Didy 10 na teny folo, milaza ny fifamatoran’Andriamanitra sy ny olony ka noho izany ny fanaovantsika ny Arahaba in-10 amin’ny saple dia mampiseho ny rohy mampifamatotra antsika amin’Andriamanitra ary ny fifikirantsika Aminy fa indridra ny faharetantsika mivavaka tahaka an'i Masina Maria .

6- Hoy Md Joany Paoly faha-2 hoe “Ny tanjon’ny Rozery dia ny Fibanjinana an’i Jesoa Miaraka amin’i Masina Maria”. Araka ilay endrika nolazaiko teny ambony ihany dia Miaraka amin’i Masina Maria manao io vavaka io isika satria izy ilay Modelimbavaky ny Kristianina. Ilay Nino tsy tampisalasalana ka nanao Eny, tsy hoe Eny ho an’ny tenany fa Eny ho an’izao tontolo izao vaovao indray, ilay mifandrafy amin’ilay Demony hatrany ampiandohan’ny Fahariana araka ny nolazain’ny bokin’ny Jenezy(vakio Jenezy 3) ! Araka an’I Md Iniasy avy any Loyola kosa dia rehefa manao Fibanjinana dia Mamerina ao antsaina ny zava-nisy rehetra izany hoe rehefa Manao iny Rozery ka mandinika ny Misterin’ny Fiainan’I Kristy mandritra ny arahaba ry Maria averimberina iny dia sady Mamerina ao antsaina ny zavatra rehetra raketin’ily Mistery dia ny Fiainan’I Jesoa, hiainanao toy ny miatrika izany mba hahatsapana bebe kokoa any amin’ny atifanahy ny Famonjena antsika, ny hasarobidintsika eo imason’I Tompo satria nantsoiny hoe malalany, sakaizany isika fa tsy Mpanompony intsony (vakio Joany 15:15).

7- Hoy ny sasany hoe Lava loatra ny vavaka ka ny entiny manohitra izany dia ilay tenin’I Jesoa ao amin’ny Matio 6 milaza fa rehefa mivavaka dia “aza mba maro teny”. Indrisy mantsy. Ny tian’I Jesoa lazaina raha mamaky hatramin’ny voalohan’ny toko faha 6 io isika dia hahita fa ny vavaka Mitady soa ho an’ny tenany samirery, fisehosehoana, ary ny tsy fifantohana amin’izany fa faly angataka ny zavatra ara-nofo izay tsy mahasoa ny tena akory, ny fiheboheboana mba ilazan ny olona fotsiny fa izy no tena mivavaka be no tian'i Jesoa lazaina eto !! (azo itarina lava be ny fanazavana ny Matio 6 fa hatreo aloha). Raha misy aza ny vavaka lava indrindra dia isan’ny Lava sady be teny sy fiverenan-teny ny vavak’I Jesoa ao amin’ny Evanjelin’i Md Joany toko faha 17 izay toko iray manontolo vavaka avokoa!

8- Ny vavaka Rozery dia vavaka hoentina mandinika amin’ny fomba ambony indrindra ny Fiainan’I Jesoa satria famintinana iray manontolo ny Evanjely 4. Noho izany, ivon’ny Fandalinana ny Misterin’Andriamanitra raketin’ny Baiboly iray manontolo ny rozery.

 

FAMINTINANA:

Raha te hifikitra bebe kokoa amin’Andriamanitra dia Manaova rozery. Ny rozery ihany koa dia fakantahaka ny fiainan’i Masina Maria. Manaiky an’Andriamanitra ( ny ENY nataon’i Maria), Mandinika ao am-po ny Misterin’Andriamanitra (Lioka 2), Mandray an’I Jesoa (Misterin’ny fahatongavana ho nofo), Mihaino an’i Jesoa, Maharitra hatramin’ny farany (hatreo ampototry ny hazo fijaliana). Hoy i Jesoa hoe raha mivavaka ianareo dia mandehana amin’ny toerana mangingina, voarindrina ny varavarana (Matio 6) ka hoy aho hoe raha olona hivavaka handrindrina varavarana izany va tsy olona vonona hiresaka be , ho lavalava ny resaka ? ka hadisoana ny mandray antendrony ny filazana fa rehefa lava na maro teny dia tsy misy dikany ny vavaka. Sady ny vavaka dia firesahana amin’Andriamanitra ka rehefa fy ve ny resaka tsy ho lava ? toa ny hoe rehefa fy ny asa atao na hanohanana aza misinda ka ny ora lany aza tsy fantatra intsony, ny ora fisakafoana aza tsy tsaroana, ny masoandro efa milentika vao taitra hoe hay efa hariva sahady ny andro, sns… ka toa izany koa ny miresaka amin’Andriamanitra rehefa fy ny mivavaka.
 

Lahatsoratra nosoratan'i John Roy, Antananarivo 12 Oktobra 2016.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0262