Tsy mety diso ve ny Papa?

Fifampizarana kely momba ny "infaillibilité pontifical" na koa hoe tsy mety diso ny Papa eo amin'ny fampianaram-pinoana. Fanontaniana matetika mipetraka amitsika katolika izy ity, isan'ireo fototry ny fanakianana ny Fiangonana Katolika ary na isika mpino katolika aza dia betsaka no tsy mahazo azy tsara na diso fandray isika ka mety handika hoe "tsy mety diso = tsy manam-pahotana" .... tsia, ny Pape dia olombelona manam-pahotana sy manana ny hadisoany tahaka ny olombelona rehetra araka ny voalazan'i Md Joany ao amin'ny I Jn 1, 8: "raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika dia mamita-tena ary tsy ao anatitsika ny marina" mazava arak'izany fa mpanota avokoa ny olombelona rehetra ka nahoana ary ny Papa no lazaina fa "tsy mety diso", inona no dikan'ity hoe "infaillibilité pontificale" ity? ary ahoana no hinoatsika an'izany?

Raha tsorina amin'ny teny tsotra dia fampanantenan'i Jesoa ho an'ny Papa izy io ka toa izao no momba azy. Tsara ampatsiahivina ihany fa ny fampianaran'ny fiangonana katolika dia mifototra amin'ny tenin'Andriamanitra irery ihany (izay tsy mitovy amin'ny hoe Baiboly irery ihany). Misy fantsona (canaux) 3 no hampitan'Andriamanitra ny teniny amin'ny fiangonany: dia amin'ny alalan'ny Lovam-pampianarana Masina (amin'ny alalan'ny Sainte Tradition), amin'ny alalan'ny Soratra Masina, ary amin'ny alalan'ny Toniam-pampianaran'ny Fiangonana (Magistère).

1- Amin'ny alalan'ny Fanahy Masina (Jn 14, 26): "Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko", io Fanahy Masina io indrindra no nitondra ny apostoly hitory teny sy hampianatra hatrany am-boalohany. Tao amin'ny fiangonana voalohany dia mbola tsy nampiasaina ny baiboly. Nohamafisin'i Jesoa ao amin'ny Jn 16, 12-13 fa mbola betsaka ny zavatra holazain'ny Fanahy Masina sy hampianariny rehefa hiverina any an-danitra ny tenany manao hoe: "mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho nefa tsy zakanareo ankehitriny fa rehefa tonga ny Fanahin'ny fahamarinana dia izy no hitaridalana anareo amin'ny marina rehetra ...". Ireny fampianaram-pinoana am-bava (prédication orale) notsilovin'ny Fanahy masina ireny no antsoina hoe Sainte Tradition, ary izany fampianarana am-bava nataon'i Jesoa sy notohizan'ny apostoly izany no fototra nanoratana ny soratra masina (testamenta vaovao); izany hoe ny Sainte Tradition aloha vao ny soratra masina. Azotsika tarafina ao amin'ny 2Tes 2, 5 fa nampianatra am-bava aloha i Md Paoly vao nanoratra an'io soratra masina io. 

2- Amin'ny alalan'ny Soratra Masina dia ny baiboly izay tsy hiadian-kevitra. Misy ifandraisany ireo canaux 2 ireo araka ny nolazaina tetsy ambony satria ny Sainte Tradition noraketina an-tsoratra no natao ho baiboly .... fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe: ahoana no anavahana ny hevitra avy amin'ny Fanahy Masina sy ny faharesen-dahatry ny mpanoratra (na conviction personnelle)? Io manafangaro ny fanilovan'ny Fanahy Masina sy ny hevitry ny tena samirery io no mahatonga ny fizarazaran'ny antoko-pinoana satria dia samy mandrirotra ny soratra masina araka ny fiheverany azy ny tsirairay, hany ka maniry etsy sy eroa ny karazam-piangonana. Mba hialana amin'izay indrindra no antom-pisian'ny fantsona faha3 (3è canal) 

3- Magistère de l'Eglise, Toniam-pampianaran'ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Papa. Anjaran'ny fiangonana izay tsilovin'ny Fanahy Masina no mandinika ny lovam-pampianarana rehetra (Sainte Tradition) raha tena mifanaraka tsara amin'ny Fanahy Masina sy ny soratra masina na tsia, Hevitra noforonin'olombelona ve ity magistère de l'Eglise ity? Tsia, fa manana fahefana ny fiangonana, Mt 18, 17: Raha tsy mihaino ny eglizy izy dia ataovy tahaka ny jentily sy ny poblikana ary mbola hamafisin'i Md Paoly ao amin'ny ITim 3, 15 fa ny fiangonana no andry sy fiorenan'ny marina; fiorenan'ny marina satria araka ny fampanantenan'i Jesoa dia tsy haharesy azy ny vavahadin'ny afobe (Mt 16, 18). Eo indrindra no hidiran'ny "infaillibilité pontificale" satria ny Papa dia efa nahazo fahefana avy any amin'ny Jesoa hitazona ny fanalahidin'ny lanitra (Mt 16, 19). Tsy mety ho diso ny Papa rehefa mampianatra satria manana fahasoavana manokana avy amin'i Jesoa mba tsy hahalavo ny finoany na dia eo aza ny fahotany arak'izao tenin'i Jesoa izao (Lk 22, 31-32): " Ry Simona, ry Simona, indro satana nitady hikororoka ANAREO ohatran'ny vary. fa Izaho mangataka ho ANAO mba tsy ho lavo ny finoanao ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao" .... mety hazava kokoa ny dikanteny frantsay : " Simon, Simon, voici que satan VOUS a reclamé pour vous cribler comme froment mais je prie pour TOI, afin que ta foi ne défaille pas; et TOI donc, quand tu seras revenu de ta trahison, confirme tes frères dans la foi" ..... Mazava tsara arak'izany fa samy manana ny fahotany izy rehetra; samy nokororohan'i satana saingy i Simona ihany no nantsoina hanamafy ny finoan'ny rahalahiny rehefa miverina fa tsy izy rehetra akory. I Simona no nantsoina hoe Piera rehefa nahazo ny fahefan'ny Papa: Mt 16, 18-19, ary rahalahiny (apostoly) dia ny eveka sy ny pretra (fiangonana) raha ankehitriny .....

Fehiny: Ny fampianaram-pinoana ataon'ny Papa no ipetrahan'ny " infaillibilité pontificale" araka ny soratra masina fa ny fiainany manokana dia kororohan'i satana tahaka ny olona rehetra ka mety ho solafaka ohatran'ny olombelona rehetra ihany izy.

(nosoratan'i Sylvain Giovani Alson)

Hevitra mandeha

Bii ( 17/12/2014 09:56)
Miarahaba,
Misy diso ny Boky (Mt 22, 31-32): Lioka no marina
admin ( 17/12/2014 10:03)
Misaotra fa nahitsy.
henri2015 ( 25/02/2015 02:23)
Misy tery izany zanako satria nisy anti pape sy ny papesse, ny inquisition sns. ..diso ny Écurie romain nanendry ireny tarihin i Pape qui il soit. Ny fampianarany sy ny magistère dia tsy i adin kevitra. Ireo titres de noblesse de Sa Sainteté, Sa Grâce. .Cardinal...Archeveque...Eveka lasa tompoina sy indraindrana izy ireo indrindra ny pretra any amintsika satria vé mpanao raharaha masina nefa jereo ny tantaran ireo pretra tany Antsirabe mpamono olona. Constatation ireo. Tadidio fa mbola i Constantin natao batemy ankamehina no nanao ny credo tao Nicee na izy aza tsy nino raha tsy ho faty ny Konsiliny. Emperora Rômana io resaka politika ampilamina ny fireniny no nanereny ireo Eveka na Ancien. Ireo teny Pape, Cardinal, ...sy titre de noblesse hafa dia invention humaine pour sauvegarder leurs privilèges et rang sociale satria niaraka ny fiangonana sy fitondrana hatreo. Le plus petit état du monde no betsaka Kardinaly indrindra, raha tsy hi teny ny Papa mainty de la Société de Jésus nefa samy manana ny Hasina nentin - dRazany .
henri2015 ( 25/02/2015 02:25)
Ilay invention humaine dia tsy biblique mihintsy ny teny Papa sy Cardinal. ..Sa Sainteté. ..
henri2015 ( 25/02/2015 02:25)
Ilay invention humaine dia tsy biblique mihintsy ny teny Papa sy Cardinal. ..Sa Sainteté. ..
raaldo24 ( 24/04/2015 18:22)
Ahoana no no ilazanao fa i Constatin no nanao ny fiekem-pinoana tany Nicee? Raha taianao ho fanatra ny votoatin'ny Concile de Nicee dia tsara raha manao fikarohana kely ao amin'ny tantaran'ny Fiangonana angamba ianao de ho fatatrao ny anton'ny nanaovana ny Fiekem-pinoana tany Nicee ary tsy misy fatatr'i Constatin mihitsy ny theologie de Credo an!
augustndro ( 31/05/2016 14:18)
Raha ny toetran'ny Papa sy cardinal sns ...no jerentsika dia hiala ato amin'ny Fiangonana isika satria misy dimbin'i Jodasy izy ireny zay samy nofidian'i Kristy daholo eh zay rehetra voafidy na iza na iza ary na inona na inona ny asany ao amin'ny Fiangonana dia i kristy no mifidy fa samy manao ny asany eh ka ny sasany manao ny asan'i Md Piera no ataony ary ny sasany manohy ny asan'i Jodasy eh ka safidio tsara ary ny anao eh

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0585