Ny Misterin'ny Karemy

Fanazavana ny tantara sy ny dikan'ny Karemy eo amin'ny fiainam-panahintsika.

Inona ny Karemy ? Ny Karemy dia 40 andro nataon'ny fiangonana hibebahana mba hiomanan'ny mpino amin'ny fankalazana ny Fahababoam-pon'ny Tompo, ny Nahafatesany ary ny Nitsanganany ho velona. Mandritra izany fotoana izany, izay tsy azo sarahina amin'ny Misterin'ny Paka, no miomana amin'ny fanombohan'ny maha-Kristianina ireo ho atao Batemy ; ny Kristianina kosa miomana amin'ny Paka amin'ny fahatsiarovana ny Batemy sy ny asa fivalozana, izany hoe vavaka, fifadian-kanina ary ny fanaovana asa fiantrana.

_E_NO_IMAGEEfa tamin'ny fiangonana taloha be ny Karemy no natokana hivavahana sy hibebahana mba hiomanana amin'ny fetin'ny Paka. Ny olona nanao heloka be vava ihany no noterana hanao asa fivalozana tamin'ny voalohany, fa tamin'ny Moyen Age ny mpino rehetra no nanomboka nanao izany an-tsitra-po mba hanarenany ny fahotany.

Ny Alarobian'ny Lavenona no bingona na anjomaran'ny «Fibebahana sy ny Finoana ny Vaovao Mahafaly» (Marka 1 : 15). Mandritra ny 40 andro manaraka io ny mpino dia mifady hanina sy manda tena an-tsitra-po, tahaka ny nataon'ny Tompo tany an'efitra. Ao anatin'ny haizina sy ny alina, fotoanan'ny fifadiana sy fifehezan-tena, no tena hivoaran'ny fanahy. Mandritra izany fotoana izany, ao anatintsika ao, no hiadian'ny fanahy amin'izao tontolo izao, ny nofo ary ny demony, tahaka ny niadian'ny Tompontsika tamin'ny fakam-panahy telo tany an'efitra. Ny zavatra tety ivelany no niadian'i Jesoa satria tsy manana fahotana Izy ; ny antsika kosa dia ao anaty ny ady, fa ady entanin'ny fahafantarana ny nandresen'i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana tamin'ny Paka.

Fihavaozana ho antsika ny fandresen'i Kristy, «fararano» - izay no hevitry ny teny Anglo-Saxon hoe «lengten» na Lent. Ity fotoam-pibebahana ity dia hahafahantsika manavao ny fiainam-panahintsika isan-taona, ary manome antsika 40 andro hiarahana mitokana amin'ny Tompontsika. Navelantsika hanembatsembana ny fiantsoany antsika ho masina ve ny fiainana ety an-tany sy ny tranga andavan'andro ? Nampihena ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ve ny fitiavan-tena sy ny materialisma ? Andeha ary havaozina ny ezaka natombontsika, ary mandritra ny fitandremantsika ny Karemy, dia hifehy ny tena ary hanjaka aminy «eo ampanarahana an'i Kristy nahantra sy novonoina.» (Md Fransoa tao Asizy).

Nandika: Pissoa
Activity Source: Original Text (JGM & MG), Jennifer Gregory Miller and Margaret Gregory

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104