Afo Fandiovana ? Aiza Ho Aiza Ao Ami'ny Baiboly Izany ?

Nampiditra : hery
Daty : 18/12/2007

Maro ihany ny finoan'ny Fiangonana Katolika no diso ny fahazoan'ny olona azy, mihoatra ny fahazoana ny Afo Fandiovana. Mitombina tsara ihany nefa izy ireny – na hita fa tena araka ny Baiboly – rehefa azo tsara ny heviny.
 

Fomba hafa hahafahan'ny fanahin'ny olona efa maty, tsy voavonjy fa nalefa ho amin'ny helo, mikatsaka indray ny fanjakan'ny lanitra no fandraisan'ny olona sasany ny fampianaran'ny Fiangonana mikasika ny Afo Fandiovana. Ny hafa kosa indray mihevitra fa asa heverin'ny Katolika hanampiana ny Fahasoavan'i Kristy ny Afo Fandiovana. Ny ankabeazan'ireo tsy mahazo ity tsangan-kevitra amin'ny Afo Fandiovana ity dia mihevitra fa tsy mbola nisy izany tamin'ny andron'i Kristy tety an-tany, na tsy voalaza ao amin'ny Soratra Masina izany, fa nitsiry tao amin'ny Fiangonana taty aoriana noho ny finoanoam-poana.

Tsy marina nefa izany fiheverana izany. Mahagaga, mitombona, araka ny mahaolona, ary araka ny Soratra Masina noho ireo fihevitra «tsy Katolika» mikasika ny Afo Fandiovana ny fampianaran'ny Fiangonana. Mahagaga satria ny Vaovao Mahafaly iray manontolo no mirakitra fahagagana. Mitombona satria mifandrindra lalana amin'ny antson'Andriamanitra ho antsika sy ho ataontsika. Araka ny mahaolona satria manolotra antsika fomba sy ny fahasoavana ho tena olombelona tahaka an'i Kristy. Araka ny Soratra Masina satria ny tsangan-kevitra mikasika ny Afo Fandiovana miorim-paka amin'ny Baiboly.

Inona no atao hoe Afo Fandiovana ?

Amin'ny teny Anglisy dia purgatory no hilazana azy. Tena nalaina avy amin'ny Latina hoe purgation, izay midika fandiovana. Tahaka ny volamena izay tsy maintsy haofana, dia mila diovina kosa isika amin'ireo karazam-pahotana sy fahalotoana.

Araka ny Salamo 51 : 7 – 10 :

Indro izaho teraka tamin'ny heloka;
i neny koa torontoronina ahy tamin'ny fahotana.
Indro anefa tianao mba ho ao anatin'ny fo ny fahitsiana;
dia ampahafantaro ahy, ato anatiko, ny fahendrena.
Diovy amin'ny hisopa aho, dia hadio;
sasao aho, dia ho fotsy noho ny oram-panala.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho,
dia hifaly ny taolana izay efa novakivakinao.

Tahaka izany koa no voalazan'i Joany, « Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka ny tena toetrany. Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka azy. » (1 Joany 3 : 2 – 3 )

Amin'ny fotoana fahavelomana dia ny fahamasinana no hisehoan'io fandiovana io. Ny Afo Fandiovanana kosa no fahatanterahan'izany fahamasinana izany ho an'ny olona maty ao amin'ny Fahasoavan'Andriamanitra, ka mahatonga azy ho henika ny fiainan'ny Trinite Masina ary tena «Mitovy Endrika amin'i Kristy.» (Romanina 8:29) .

Oviana no miatomboka io Fahamasinana io ary rahoviana ny fiafarany ?

Manomboka amin'ny fanekena an'i Jesoa ny fahamasinana. Mandray ny olona rehetra manatona Azy noho ny finoana i Jesoa (Joany 3 : 16). Fa mandray antsika Izy mba hanova antsika (Romanina 12 : 2). Noho izany, ny fifandraisantsika amin'i Jesoa dia tolona iombonantsika amin'ny Fanahy Masina ka hanampiany antsika hanatanteraka ny fahamasinana norotorotoronina tao amintsika tamin'ny Batemy. Io tolona io no hazavain'i Piera hoe : « Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jeso-Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben'ny famindram-pony, noho ny fitsanganan'i Jeso-Kristy tamin'ny maty, ho amin'ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, dia anareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin'ny andro farany. » ( Piera I 1 : 3 - 7)

Mbola mitohy io fahamasinana io araka ny voalazan'i Paoly « fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin'ny andron'i Jeso-Kristy.» (Filipianina 1 : 6). Tsy hitsahatra Andriamanitra raha tsy efa masina sy sambatra isika. Raha mbola tsy tanteraka izany hatramin'ny fahafantesana, dia hotanterahin'Andriamanitra ao amin'ny Afo Fandiovana. Tsy fomba hafa hahafahana mandova ny lanitra ny Afo Fandiovana. Ny fanahin'ny maty ao amin'ny Afo Fandiovana dia efa nomena ny fampanantenana hahita ny Endrik'Andriamanitra. Tsy mbola afaka mahita azy tanteraka fotsiny izy ireo.

Toa mirakitra fampitahorana ny filazan’i Piera. Tsy tokony hifantoka amin'ny Fandresena ve ny Fiainana Kristianina ?

Io hevitra io dia mitovitovy amin’ny filazana fa ny amboara no tena fiainan'ny atleta fa tsy ny fanazaran-tena. Ny amboara, araka ny nolazain'i Paoly, dia omena aorian'ny fihazakazahana ( Timoty II 4 : 7 – 8 ). Tahaka ny fanazaran-tena amin'ny hazakazaka ihany, ny Afo Fandiovana dia mirakitra fijaliana. Saingy tsy ny fijaliana no tanjon'ny Afo Fandiovana fa ny fahasitranana sy ny fahasambarana any an-danitra.

Araka ny nolazain'i Joba « teraka mba hozoim-pahoriana ny olona, toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina. » (Joba 5 : 7). Tsy nampanantena fiainana tsy misy fijaliana ho antsika Andriamanitra. Fiainam-pahasambarana no nampanantenany, mba tsy hisy ho very maina - na ny fahoriana na ny fahafatesana – fa mitondra fanavotana sy voninahitra. Tsy ny tsy fisian'ny fijaliana no manamarika ny fiainana Kristianina ; fa ny fahasoavana omen'i Kristy antsika mba haharetantsika ny fijaliana mandra-pahazoantsika ny fiainana, mandram-pahazoantsika ny tena halafaliana.

Inona ny « fahoriana hatramin’ny fiainana » ?

Ny mifanohitra amin'ny fanamelohana ho faty. Amin'ny Batemy (sy ny Fivalozana) no hazahoana ny famelan-keloka sy hanaovaozana indray ny fifandraisana amin'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy. Ny famelan-keloka nefa dia tsy midika fa tsy misy vokany intsony ny heloka natao eo amintsika sy ny manodidina antsika. Ny famindrampon'Andriamanitra dia tsy fahagagana manafaka antsika amin'ny fahazarana, na manasitrana ny manodidina antsika na ara-panahy na ny hetsi-po noho ny finoana ananantsika. Araka ny Fiangonana, « Raha mamaky varavaran-kelin'olona isika ary manenina amin'izany, dia hamela antsika izy. Fa tsy maintsy manolo ilay varavaran-kely isika ary miady amin'iny toetra ratsy iny». Araka ny nolazain'i Paoly dia tsy maintsy «miasa amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin'izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo. » (Filipianina 2 : 12 – 13 ).

Izany indrindra no nandidian'i Jesoa an'i Zake hamerina ny vola nangalariny, na dia efa navelany aza ny helony (Lioka 19 : 1 – 10 ). Tahaka izany koa ny mpamono olona, na efa nibebaka aza, dia tsy maitsy tanana any am-ponja ; mbamin'ireo manana fahazaran-dratsy izay tsy maintsy miady amin'ny filany. Ny heloka efa voavela dia mamela takaitra ho an'ny nanao azy sy ny olona niharan'izany helony izany. Ny mahasamihafa azy, noho ny fahasoavana, dia tsy manamafy ny fon'ny mpanota io tolona io fa manafaka azy amin'ny fahotana. Araka ny nolazain'i Paoly « fa ny alahelo araka an'Andriamanitra dia miasa fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana » (II Korintianina 7 : 10).

Inona no Ilana ny Fanamasinana sy ny Afo Fandiovana raha efa Olon'Andriamanitra ihany ? Amin'ny Maha-Fitiavana an'Andriamanitra, tsy tokony ho Ekeny araka ny mahaIsika antsika ve Isika ?

Raiso ho ohatra, misy miteny hoe - «Siantifika nahay ihany i Einstein», na hoe «Nahay mozika ihany i Bach», na koa «Mpilalao baseball nahay ihany i Joe DiMagio». Tsy fanaovana tsinontsinona antsika ve izany ? Rehefa miteny mantsy hoe «tsara ihany» ranona, dia toy ny miteny hoe «Na dia mivotivoty amin'ny besinimaro aza izy, dia nanana ny nampiavaka azy koa». Izany no tsy hitenenana fa «tsara ihany» i Bach, na Einstien na DiMaggio tamin'ny sehatra niasany. Tena nanana ny mahaizy azy izy ireny.

Isika koa, manana ny mahaisika antsika. Araka ny nambaran'i Paoly «Fa asany [an'Andriamanitra] isika, ary zava-bao nataony tao amin'ny Kristy Jeso, mba ho amin'ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.» (Efezianina 2 : 10). Ny teny grika hoe «poiema» (izay nahatonga ny teniny hoe poeme) no nadika hoe «asany» eto. Izany hoe asa-tanana nokalian'Andriamanitra isika, nohariany mba hampiharihary ny fiainan'i Kristy eto an-tany. Tsy nohariana mba ho «tsara ihany» isika ao amin'i Kristy fa ho masina sy hiombona amin'ny voninahiny mbola hiseho (I Piera 5 : 1).

Noho izany, dia tsy ampy ny mieritreritra fa tian'Andriamanitra araka ny maha-isika antsika isika – na marina aza izany. Tsy maintsy tsapantsika fa misy antony ny faneken'Andriamanitra antsika : hiombona amin'ny voninahiny. Mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy miova isika. Tsy ny toerana honenana ihany, izay tety an-tany no hifindra any an-dranitra ; fa ny fontsika koa indrindra indrindra mba tsy ho «tsara ihany» fa ho «masina». Tsy tokony handeha any an-danitra fotsiny isika, fa tsy maintsy mendrika ny lanitra mba hahafahaintsika monina ao, tahaka an'i Kristy.

Tsy blasfemia ve ny fikatsahana ny hitovy amin'i Kristy ?

Blasfemia ny fikatsahana ny fitovizana amin'i Kristy raha ataontsika amin'ny herintsika ihany. I Adama sy i Eva dia voasarik'ilay bibilava izay nilaza fa tokony hampiasa ny heriny izy ireo mba «ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.» (Jenezy 3 : 5). Raha nitoetra tao amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra nefa izy ireo dia ho nahalala fa efa nokasain'Andriamanitra omena azy izay nokasainy hangalarina. Araka ny voalazan'i Piera dia irian'Andriamanitra «ho mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra» (II Piera 1 : 4) isika. Izany no nitenenan'i Jesoa hoe «Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra.» (Matio 5 : 48) – izany hoe «tahaka an'Andriamanitra».

Ny zavatra rehetra nolazain'i Satana, ka namporisihiny ireo raiamandrenintsika hangalatra, dia tsy zavatra hafa akory fa ireo izay efa nomanin'Andriamanitra ho antsika ihany. Fahendrena, fahalalana, fahefana, fitiavana, harena marina, antoka ho amin'ny ho avy, ary indrindra indrindra ny fiombonana amin'i Kristy na velona na maty – ireo no lova ho antsika ao amini' Kristy (Efazianina 1 : 18 – 19 ; 3 : 14 – 21) . Tsy ampy handovana ireo zavatra ireo ny famelan-keloka, fa tsy maintsy tahaka an'i Kristy isika. Ny faniriana ny famelan-kelona, nefa tsy maniry fiovana ao anaty dia tahaka ilay voalaza hoe «ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana.» (Matio 23 : 25). Tsy maintsy miova, sy voavela heloka isika mba ho tahaka an'i Kristy.

Ahoana no hahavitana izany ety an-tany ?

Tsy misy mahavita izany isika ety an-tany raha noho ny herintsika fotsiny. Izany indrindra no nahatongavan'Andriamanitra tety amintsika, naka endrik'olombelona ary nitoetra tao amin'ny mahaAndriamanitra Azy. Tonga nandray anjara tamin'ny lalana nosoritany Izy. Noho izany dia afaka mangataka ny fanampiany isika, Izy ilay tokana sady tena olombelona no tena Andriamanitra ; ilay tokana sady avy any an-danitra no avy eto an-tany : Jesoa Kristy (Joany 3 : 31). Raha misy mino an'i Jesoa Kristy ka atao batemy dia nampanantena azy Izy Tompo fa «hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy» ( Joany 14 : 23).

Ho fehiny, dia ny Fahasoavana sy ny Fitiavan'Andriamanitra ao amin'i Kristy izay maniteraka ny fanahintsika no manova antsika. Izany indrindra no nilazan'i Paoly fa «fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra, tsy avy amin'ny asa, fandrao misy mirehareha.» (Efezianina 2 : 8 – 9) . Amin'ny finoana sy ny batemy no hamelana ny helotsika, ary hananantsika anjara amin'ny fiainana ao amin'Andriamanitra izay tsy mety azontsika amin'ny herintsika fotsiny. Manova antsika io fiainana ao amin’Andriamanitra io raha vao manomboka ao amin’ny fanahintsika.

Raha hahazoana izany Fahasoavan'Andriamanitra izany ny batemy sy ny finoana, inona no ilana ny fanamasinana ?

Saitra ny batemy dia fahasoavana fa tsy fahagagana. Ny Fahasoavan'Andriamanitra no «voa tsy mety lò» ao amin'ny fiainan'Andriamanitra izay nomeny antsika (I Piera 1 : 23). Ary tsy maintsy hamoa ny voa, araka ny nampianarin'ny Tompontsika (Matio 13 : 1 – 23). Tsy atao hanafina ny fahotantsika, tahaka ny voninkazo mandrakotra ny trano haolo izy ; fa natao hampiova ny ao anatintsika.

Diniho ny tantaran'i Israely. Ny Eksaody dia mitantara ny nanafahan'Andriamanitra ny vahoaka Israely tamin'ny fanandevozana azy. Ao amin'ny Fanisana kosa dia hitantsika ny kapoka nisesy tsy maintsy nolalovan'ny vahoaka Israely mba hialany tamin'ny fanompoan-tsampy sy ny fandikana ny didin'Andriamanitra, mba hahamendrika azy ireo ho amin'ny Tany Nampanantenaina (izay taratry ny lanitra halehantsika). Izy ireo mihitsy, fa tsy ny toerana nisy azy fotsiny, no tsy maintsy niova.

Mamela ny helotsika Andriamanitra, ary manarona ny fahotantsika (Romanina 4 : 7). Fa tsy eo no mifarana ny tantara. Fahasoavana lehibe ny fitoniana entin'ny menaka ahosotra amin'ny fery. Fa mbola lehibe kokoa ny fanasitranana entin'izany menaka izany. Tahaka izany koa, ny Fahasoavan'Andriamanitra dia tsy «manarona» ny fahotantsika fotsiny, fa manolotra antsika koa ny fanasitranana ny fanahintsika ary mampanahaka antsika amin'i Kristy.

Ao anatin’ny fanajana antsika tanteraka no hahatanterahan’izany rehetra izany, satria miara-miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika. Izany indrindra no nilazan'i Jakoba tamin'ireo mpino vita batemy, saingy tsy Kristianina hoe «Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.» (Jakoba 4 : 8). Nahafantatra i Jakoba fa ny famelana raisina amin'ny batemy dia santatra fa tsy faran'ny fahamasinana tian'Andriamanitra hizoran'ny tsirairay mba hahatonga antsika ho masina sy be voninahitra.

Ahoana no hahafahana maty ao amin'ny «Fahasoavana sy Fiombonana amin'Andriamanitra», nefa tsy mbola nodiovina tanteraka ?

Tahaka ny hahafahantsika miaina ao amin'ny Fahasoavana sy ny Fiombonana amin'Andriamanitra ihany nefa tsy mbola nodiovina tanteraka. Isan'andro isika dia mitolona amin'ny fahotana eny amin'ny fiainana. Manao zavatra mahamenatra antsika, ary hanamelohantsika ny tenantsika. Isan'andro isika dia mitolona, tsy miaraka amin'ny fahotana ihany fa amin'ny fahazaran-dratsy koa. Nefa isan'andro Andriamanitra dia mandray antsika, tia antsika, manome antsika ny fahasoavana hahafahantsika manahaka an'i Kristy bebe kokoa hatrany – raha mibebaka isika.

Afaka hotanteraka amintsika izany satria misy karazany ny fahotana dia ny fahotana mahafaty sy ny fahotana madinika. Ny fahotana madinika dia manimba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra – tahaka ny ratra amin'ny tenantsika – fa tsy tahaka ny fahotana mahafaty izay manapaka na mamono ny io fifandraisana io, tahaka ny tifitra teo amin'ny fo ka mamono ny olona iray. Izany no nolazain'i Joany hoe «Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra fa misy fahotana tsy ho amin'ny fahafatesana.» (Joany I 5 : 17). Ny «vavaka» no fanasitranana natoron'i Joany hanasitrana antsika amin'ny fahotana «tsy mahafaty». Izany indrindra no nilazany fa «Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin'ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an'izay manota tsy ho amin'ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin'ny fahafatesana; tsy mba ny amin'izany no ilazako hoe tokony hivavaka.» (Joany I 5 : 16).

Tokony ho fantatsika koa fa tsy rehefa nanota ny olona iray dia midika fa isan'ny ambodian'i Satana ka efa nitsipaka marin-drano an'Andriamanitra izy ; na izay pentina amin'ny fanahin'ny olona maty dia hilazana fa voaozona ho any amin'ny afobe izy. Maro ny olona na efa ho any am-pasana aza, mbola miady amin'ny fahotany. Izany tolona izany dia midika fa mbola mitady ny fampindram-pon'Andriamanitra ny olona ary tsy mbola nanapaka ny fifandraisany taminy. Izany koa no antony hivavahan'ny Fiangonana ho an'ny olona maty nefa mbola tsy nahatratra ny fahamasinany tanteraka. Fanantenana lehibe ny Afo Fandiovana.

Tsy tonga dia mandeha any an-danitra angaha ny olona maty ?

Raha tsy mbola mendrika ny lanitra ny maty, na tsy voaomana tanteraka ho amin'ny fiainana ny fitiavana sy fahafoizan-tena amin'ny ora hahafatesany, ahoana no hahafahany miaina ny hafaliana tonga lafatra any an-danitra ?

Tsy midika akory ireo fa ny olona ao amin'ny Afo Fandiovana dia tsy manana anjara ao amin'ny fiainana ao amin'Andriamanitra. Ny maty ao amin'i Kristy dia tena velona tokoa. Efa nambaran'i Kristy izany tamin'Izy niresaka tamin'ny Sadoseana «Ary ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain'Andriamanitra taminareo hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona.» (Matio 22 : 31 – 32). Efa nasehony koa, tamin'ny namelany an'i Moizy hiseho – velona – teo anatrehan'ireo apostoly tany an-tendrombohitra niovany tarehy, fa ny maty ao amin'i Kristy dia tena veloan tokoa.

Tsy izay rehetra maty ao amin'i Kristy akory no vonona – manana ny hery – hiainana ny hafaliana lehibe, tsy misy fetrany any an-danitra, satria tsy ny maty rehetra no maty ao amin’Andriamanitra tanteraka. Mafy orina ny fahasoavana ho antsika ao amin’i Kristy, tahaka ny trano naorina teo ambony vatolampy (Matio 7 : 24). Saingy isan’andro koa isika dia manampy ny vinavinantsika, ny hevitra, ny tahotra, ny finoanoam-poana, ary manafangaro azy amin’izay efa nomen’Andriamanitra antsika. Tsy fantantsika nefa matetika izay mety sy tsy mety ho an’ilay tranon’Andriamanitra aorintsika. Fantampantantsika fotsiny fa mitovitovy, fa tsy tena ilay toerana nolazain’i Jesoa fa hamboariny (Joany 14 : 2 – 3).

Lazain’i Paoly antsika ny zavatra tsy mendrika izay mety hafangarontsika amin’ireo efa natolotr’Andriamanitra : « Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin'io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan'ny olona tsirairay avy; ary ny andron'ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin'ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan'ny olona tsirairay isam-batana: raha may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin'ny afo. » ( I Korintianina 3 : 12 – 13, 15). Ny Afo Fandiovana no manala ireo sakana rehetra manelanelana antsika amin’ny hafaliana miaraka amin’Andriamanitra.

Tsy noforonina tamin'ny finoanoam-poana ve ny Afo Fandiovana, fa tsy voalaza ao amin'ny Soratra Masina ?

Tahaka ny teny hoe Trinite, Kristianina, na ny Baiboly, dia efa taorian'ny vaninandro niainan'ireo apostoly vao nampiasaina ny teny hoe Afo Fandiovana. Ny heviny kosa dia efa nisy talohan'ny nahatongavan'i Jesoa ho nofo. Nisy an'i Jodasa Makabeo ohatra, Jiosy nanana ny mahaIzy azy zato taona mahery talohan'ny nahaterahan'i Jesoa, nivavaka ho an'ny maty ary nangataka ny famelan-keloka ho azy ireo (Makabeo II 12 : 43 – 46). Mbola nanao io vavaka fangatahana io koa ny jiosy tamin'ny andron'i Jesoa. (Nino ny jiosy, araka ny tantara, fa ny fanahin'ny mpino efa maty dia mandalo fanadiovana ary azon'ny velona atao ny manampy azy amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fanaovana asa soa. Mbola maro no mino izany ny jiosy ankehitriny.)

Ny Testamenta Vaovao koa dia manambara ny fisian'ny Afo Fandiovana. Araka ny nolazain'i Piera dia na i Kristy aza, fony izy tany am-pasana, dia «nandehana nitory teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, dia ireo fanahy tsy nino fahiny» (I Piera 3 : 18 – 20). I Kristy koa efa nilaza fa misy fahotana – tahaka ny tsy famelana ny heloky ny hafa – izay handefasana antsika any am-ponja any ankoatra aorian'ny fitsarana. Araka ny nampianariny nefa dia tsy voatery haharitra mandrakizay io sazy io : «Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.» (Matio 5 : 21 – 26). Tsy ny lanitra no nambaran'i Jesoa tamin'io fanoharana io, satria any an-danitra dia tsy misy «tranomaizina». Tsy ny afobe koa nefa, satria any tsy misy fivalozana intsony ary tsy misy fomba hialana any intsony. Namaritra ny Afo Fandiovana ny fanoharana nataon'i Kristy.

Nilaza ny fisian'ny Afo Fandiovana koa i Jesoa, na ny «famelan-kelona any amin'ny fiainan-ko avy» tamin'Izy niteny tamin'ny mpianany hoe : «Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin'ity fiainana ity na amin'ny ho avy.» (Matio 12 : 23). Noho izany dia tsy zavatra vao «noforonin'ny fiangonana» taorian'i Jesoa ny Afo Fandiovana. Namerina, na nanazava ny ny fampianaran'i Kristy sy ny Apostoly izy, mikasika ny fanantenana any ankoatra.

Inona ny Afo Fandiovana ho antsika ankehitriny ?

Tsy miova ny dikan'ny Afo Fandiovana : Fanantenana. Ny Afo Fandiovana dia antoka fa any amparany any dia tsy hisy intsony hanakana ny fiainantsika hampamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra. Ho «afaka» amin'izay isika izay nogejain'ny fahotana nandritra ny taona maro. Nomen'i Kristy fampanantenana lehibe isika, noho isika manana anjara ao amin'ny Fiainany : «Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray aho» (Joany 14 : 12).

Araka izany dia tsy mandray ny fahasoavana avy aminy fotsiny isika, fa miara-miasa Aminy, satria « mpiara-miasa amin’Andriamanitra » isika miaraka amin’i Kristy ( I Koritianina 3 : 9). Midika zavatra betsaka izany, ary isany ny fahafahantsika mpifampitondra am-bavaka, noho amin'ny herin'i Kristy sy ny fahefany, satria mivavaka ho antsika Izy. Afaka mivavaka isika, tsy ho an'ny velona ihany, fa ho an'ny maty koa. Afaka manampy ireo mbola ao amin'ny Afo Fandiovana isika, ireo mbola « diovina », tahaka ny hahafahantsika manampy ny olona mbola ety an-tany - amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fanatitra, indrindra mandritra ny Lamesa.

Araka ny nolazain'i Paoly, «tena iray antsika ao amin'ny Kristy, na dia maro aza isika; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy» (Romanina 12 : 5). Tsy ravan’ny fahafatesana izany firaisana amin'Andriamanitra sy amintsika samy isika izany. Afaka manohy mivavaka ho an'ny olona efa maty isika, miaraka amin'ny fanantenana an'i Kristy, fa hanampy azy ireo ny vavaka ataontsika noho ny voalazan'i Paoly hoe « Mifampitondrà entana hianareo, dia ho tanterakareo amin'izany ny lalàn'ny Kristy» (Galata 6 : 2).

Nosoratanan’i Mark P. Shea, mpampianatra sy « apologist », Mountlake Terrace, Washington. Miresaka ny boky nosoratany farany, Making Senses Out of Scripture, ny pejy faha-40 amin’ity asa ity.

 

Mark P. Shea.

Loharano: http://www.catholicculture.org/library/view.cfm?id=4180&repos=1&subrepos=&searchid=110019

Nandika: Pissoa

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0785 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org