Ny fiainana ny fitiavana ao amin'ny mariazy

Nampiditra : Olive05
Daty : 08/08/2016

Ny fitiavana, mahari-po:

Ilay toetran’Andriamanitra ambaran’ny testamenta taloha mihitsy no ambaran’ny hoe: “mahari-po” dia ny hoe “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana” (Eks 34, 6 ; Fan 14, 18)

Raha ambara @ teny hafa dia hoe “tsy mora tezitra Andriamanitra fa mahandry sy mahalefitra”. Iainan’ny olona iray ny hoe “mahari-po” rehefa tsy entim-po fotsiny izy ka afaka mandresy ny herisetra na amin’ny teny lazainy na @ fihetsika hasehony….

 

Ny fitiavana, tsy mialona:

Ny tena fitiavana dia tsy mahatsiaro maharary amin’ny soa azon’ny hafa (Asa 7, 9 ; 17, 5)

(…) Ny tena fitiavana dia mahay manome lanja ny fahombiazan’ny hafa, lavitra izay fiheverana fa fifaninanana ny fiainana, ka toa resy raha mahomby izy….

 

Ny fitiavana, tsy manaonao foana, tsy mieboebo:

Ny fisehosehoana, ny fanamboniana tena mba hampitolagaga ny hafa ka hidedadedahana, izany no fieboeboana. Ny tena fitiavana dia tsy fisehosehoana manafintohina ny hafa, tsy fiheverana ny tena ho lehibe lavitra raha mitaha amin’ny hafa, tsy fiheverana fa hainao sy voafehinao avokoa ny zavatra rehetra n any fahendrena n any fahamasinana. Hoy I Md Paoly hoe “Fa samy manam-pahalalana anefa isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso.” (I Kor 8, 1b)

(…) Ny mampalaelo anefa dia ireo heverina fa manam-pinoana indray no mieboebo amin’ireo vao manomboka miaina ny finoana ka manao toetra tsy zaka ary fanamboniana tena no mameno ny fiainany….

 

Ny fitiavana, malemy fanahy:

(…) Tsy afaka miaraka velively ny hasiahana sy ny halemem-panahy (…) Ny halemem-panahy no mampianatra ny olona mifehy ny tenany hoe: tokony hiteny izy na tokony hangina amin’ny fotoana sasany. Tsy hoe akory fihetsika isehoan’ny kristianina ety ivelany fotsiny ny halemem-panahy fa anisan’ny toetra takiana amin’ny kristianina rehetra.

Ny fijery ny hafa amin’ny maso feno fitiavana dia mampisokatra ny fony. Izay topimaso feno fitiavana izay no manila ireo mety fijery tsy mahita afa-tsy ny tsikera sy izay fahalemen’ny hafa, izay mety ho fetrany, ka hahafahana manaiky azy amin’ny maha izy azy.

Ny olona malemy fanahy dia afaka manome teny mankahery, manohana, manamafy orina, mampionona, manentana izay mila izany. Toa endrik’I Jesoa milaza hoe “matokia anaka” (Mt9, 2), “lehibe ny finoanao” (Mt 15, 258); “mitsangana” (Mk 5, 41); “mandehana am-piadanana” (Lk 7, 50); “aza matahotra” (Mt 14, 27)

 

Ny fitiavana, tsy mitady ny ho azy:

(…) Tsy natao ho tia tena isika fa natao hifanampy sy hifanasoa amin’ny hafa. Ary raha misy aza tsy maintsy ho an’ny tenantsika voalohany dia noho ny antony manokana izany ho fiahiana ny tena sy fiarovana ny aina. Ary hoy I Jesoa hoe: “tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany” (Jn 15, 13). Ary ny takian’ny Evanjely dia ny hoe: “nahazo maimaim-poana ianareo ka manomeza maimaim-poana” (Mt 10,)

 

Ny fitiavana, tsy manao ny tsy mendrika:

Raha toa ka namporisika antsika amin’ny fahari-po ny tenin’I Md PAoly voalohany, izay mandrara tsy hanao fihetsika mahery ety ivelany manoloana ny fahalemena na fahadisoan’ny hafa, dia indro kosa mbola ampianariny isika tsy hanao fihetsika mahery ao anaty vokatry ny fahitantsika ny zava-misy ety ivelany. Tsy inona akory zany herisetra ao anaty izany fa ny fahatezerana sy fahakizitinana aseho amin’ny ednrika na fihetsika tsy arahina teny manoloana ny hafa, izay banjinina toy ny fahavalo toa manelingelina. Tsy misy vokatra tsara azo amin’izany. Aretina sy fitokana-monina no aterak’izany (…) “Aza mety ho resin’ny ratsy fa reseo amin’ny tsar any ratsy.” (Rm 12, 21) ; “aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa…” (Ga 6, 9)

 

Ny fitiavana tsy manao an-dolom-po: famindram-po:

Raha omentsika laka ny ratsy hanenika ny aty fanahintsika dia ny lolom-po no hameno ny fontsika. Amin’izay dia isika mihitsy no mamela ny ratsy hanjaka amintsika. Ny mifanohitra amin’ny lolom-po dia ny famindram-po (…) mahay mandray ny hafa na dia eo azan y fahalemeny, mahay mitady fialan-tsiny ho an’izay diso ka miaro azy tsy ho melohin’ny hafa, ny famindram-po. I Jesoa no alaina tahaka amin’izany :”Raiko avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lk 23, 34)…

 

Ny fitiavana, tsy mifaly noho ny tsy marina, fa mifaly noho ny fahamarinana:

Misy tokoa olona mahatsiaro hafalliana rehefa misy sendra iharan’ny tsy rariny noho ny marina ijoroana. Tsy mety izany ary hahitsin’I Md Paoly fa ny fahamarinana no tokony hifaliana. Ny soa azon’ny hafa dia tokony hitondra hafaliana raha tsapa ny hasarobidin’izany fahamarinana izany….

 

Ny fitiavana, manala-tsiny ny zavatra rehetra:

Ny fitiavana no hahafahana miatrika ny zavatra rehetra. Ilay teny hoe “rehetra” dia midika fa tsy mba misy fetra ny fitiavana. “Manala tsiny ny zavatra rehetra”: toa mahadika izany fa tsy misy fetra ny indra-fo ka aoka hatreo ny fitsarana ny hafa, aza Tanana ny hadisoany (…) “aza mitsara dia tsy ho tsaraina, aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo, mamelà, dia havela ianareo” (Lk 6, 37)…

 

Ny fitiavana, mino ny zavatra rehetra:

Tsy ilay finoana an’Andriamanitra akory no tiana ambara eto fa ilay “fahatokisana” (…) mitandro ny fahafahana ny fahatokisana, manakana izay mety fiahiahiana lava izay mangeja ka maha kizitina na maha be fanahiana. Rhefa mifampatoky dia afaka mivelatra amin’ny hafa, afaka manovo harena avy amin’ny fahasambarana hita eny amin’ny fiaraha-monina….

 

Ny fitiavana, manantena ny zavatra rehetra:

Na eo aza ny fahalemena dia manantena mandrakariva ny mpivady fa afaka miova ny vadiny fa tsy ho iny izy manana ny kilemany iny foana mandrampahafatiny (…) ho tsara satria nohariana ho tsara. Ekena fa mety misy zavatra tsy araka ny nampoizina no miseho indraindray, nefa kosa aoka hanantena fa hain’Andriamanitra ny manoratra mahitsy amin’ny tsipika bila, hain’Andriamanitra ny manova olona tsy laitran’iza na iza hahitsy…

 

Ny fitiavana, mandefitra ny zavatra rehetra:

Tsy amin’ny lafiny hoe: miaritra fotsiny akory no handraisantsika y teny hoe: “mandefitra” fa amin’ny lafiny hoe : mizaka an-kafaliana izay miseho na dia eo azan y zava-manahirana, ary feno toky fa tsy maintsy mandresy izay sarotra sy manahirana hatrehana. Ambony hatrany ny tanjona dia ny hahatratra ny tsara izay kendrena, ka tsy maniky izay sakatsakana misy fa miady mafy mba handresy.

Ny fomba entina mandresy ny sakana izay mibahana tsy hahatratrarana ny tanjona dia tsy inona akory fa ny fibanjinana ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny tsirairay, eny fa na dia ny fahavalo aza...

 

 

Ao amin’ny fiainan’ny ankohonana dia aoka ho velona ny herin’ny fitiavana izay entina miady amin’ny ratsy izay mandrahona ny fianakaviana. Ny fitiavana dia tsy resin’ny fankahalana sy ny lolom-po, tsy resin’ny faniriana te hanao ratsy sy hamaly faty. Ny ideally ho an’ny kristianina, indrindra ny ankohonana, dia ny fitiavana ihany na inona na inona mitranga. (…) Hanampy antsika hanana ankohonana feno fitiavana, hamelona ny fifankatiavna raha sendra matimaty. Hankahery raha misedra ny mafy ary mba hanana finoana, fanantenana, ary fitiavana ny isam-batan’olona.

 

Ampahany amin'ny fandalinam-pinoana "Ny fiainana ny fitiavana ao amin'ny mariazy"

Nosoratan'i RP RARIVOSON Njarasoa Aurélien, aomonie ny VONA ho an'ny andron'ny VONA 2016, Vikaria Atsimo.

Ihazolava, 19 Jolay 2016.

Lahatsoratra nangonon'i RAMAROZATOVO Olive.

couverture du livre

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0573 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org