• Malagasy
  • French
  • English

Na osa aza isika,
eo i Kristy ho herintsika.

 

Na eo aza ny tahotra ny fahafatesana (alahady 12B) sy ny tebiteby amam-pahoriana mety hosedraina hoenti-miatrika azy (Alahady 13B) dia ambaran’i Jesoa mazava fa ny finoana no hahafahantsika mandray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny hafenoany. Mahatonga saina ihany ny fitantaran’i Marka fa tsy nahazo nanao fahagagana akory i Jesoa teo amin’ny tany nahabe Azy. (Evanjely Mk 6, 1-6).

Misy Fanontaniana roa mahalasalasa ny saina ihany :
Amin'ny andro hiverenan'ny zanak'olona, mbola hisy finoana ve ety an-tany? (Lk 18,8) Ary raha eo anivontsika i Jesoa, mbola afaka manao fahagagana ve izy? (Mk,6,5) Anjarantsika no mikolokolo ny Finoana noraisintsika tamin'ny Batemy maha-mpaminany sy mpisorona hampanjaka ny fitiavana
sy nanomezantsika toky hihaino ny Feon'Izy Tompo. (jereo Batemin'ny Tompo )

 

Dia miverina amin'ny fandinihana ny zava-mitranga tantarain'ny Evanjely isika : impiry tokoa moa isika no mametra-panontaniana ka velom-pialonana ny amin’izay mety ho loharanon-karena na loharano nipoiran’ny fahaizana amam-pahalalana ananan’ny olona sasany hitantsika nitombo… ka na gaga sy talanjona noho ny fampianarana sy ny zava-bitany aza (tahaka ny lazain’ny Evanjely) dia tsy hiaiky na oviana na oviana fa tsy fahendren’olombelona izany fa fahasoavana manokana nomen’Andriamanitra… dia mahagaga ihany ny mahita izany tsy finoana izany.

Firifiry amintsika koa no mahita na manana mpiara-monina nomen’Andriamanitra talenta mampitolagaga, zary fitaovana sy fahasoavana entin’Andriamanitra manao fahagagàna eo amin’ny fiara-monina misy antsika, saingy tsy afaka manao na inona na inona satria tsy inoantsika ny fanomezam-pahasoavana, ka aleo mifamingana toy izay hidera an’Andriamanitra noho ny fanomezany talenta ny mpiara-monina amintsika.

Eo amin’ny tany nahabe azy ihany no tsy voahaja ny Mpaminany! Noho izany antony izany, fa indrindra koa, noho ny iraka nankinina amin’izy ireo manokana. Ny Vakiteny I (Ez 2,2-5)[1] dia mampahatsiaro ny iraka maha-mpaminany ny mpaminany, na hisy mpihaino na tsisy mpihaino: hitory ny Tenin’ny Tompo amin’ny vahoakany (Ez 2,7) toy ny mpitily hananatra amin’ny anaran’ny Tompo ka mampitandrina amin’ny loza vokatry ny fahotana (Ez 3,17). Mamy eo am-bava anefa izany teny izany (Ez 3, 3) fa fahoriana amam-pijaliana kosa ny fitoriana sy fiainana azy (Apok 10, 9).

Ireo nirahin’Andriamanitra hitory ny Teniny araka izany dia tsy afaka ny hitoky amin’ny herin’ny tenany, fa hiandrandra mandrakariva ilay mitoetra any ambony miandry fiantrana avy amin’Izy Tompo mba hanafaka amin’ny eson-tenin’ny maty eritreritra (Salamo setriny 122). Isika no voaantso hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny Fahazavana mahagaga, hoy i Md Piera (1Pi 2,9) ka hirehareha amin’ny fahalemena, izay iamparan’ny herin’i Kristy (2Kor 12, 7-10). Ny fahalementsika ny fahosantsika ihany amanko no hitoeran’ny finoana ao anatintsika, ka hilantsika vonjy avy amin’Andriamanitra. Izay ihany no hahafahan’i Kristy manao fahagagana (evanjely), ka hitoeran’ny heriny ao amintsika (Vak II)

Tsy voatery ho amin’ny toeran’ny Mpaminany anefa isika fa mety ho anisan’ireo vahoaka tsy nahafahan’i Jesoa nanao fahagagana ihany koa. Manampy antsika handini-tena araka izany ny Tenin’Andriamanitra raha mino ny herin’Andriamanitra isika! Tokony ho lalana hampivoarana ny finoana ny fahitana ny asan’Andriamanitra, na ireo omeny ny hafa ka tsy miantefa amintsika mivantana aza. Tsy tokony ho fanafintohinana ho antsika ny hahita ilay zanaka mpandrafitra manana fahalalana sy fahendrena mampitolagaga, satria mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka tokony ho fisaorana mandrakariva no asetry ny soa arotsany ho an’izay mino ny Teniny.



[1] Mbola mitohy amin’ny alahady heriny Amosy 7 12-15

 

Tonga soa

Image

Faly miarahaba anao tonga mitsidika sy hitoetra eto amin'ity takelaka ity. Takelaka izay hanampy anao hiaina araka ny Fanahy. Nomen'Andriamanitra fitaovana maro isika hampielezana ny teniny sy hanitarana ny Fanjakany, koa mahafaly ny mampiasa ity takelaka ity sy mizara azy ho anao mba ho fandraisana anjara amin'izany iraka lehibe izany.

Handray anjara amin'ny takelaka

Raha misy te hanoratra lahatsoratra eto amin'ny takelaka dia mila misoratra anarana ao amin'ny serasera.org aloha raha mbola tsy mpikambana (Jereo eto). Avy eo dia mandefasa hafatra ho an'ny adiresy Ity adiresy imailaka ity dia voaaro amin'ny spam. Mila mampiasa JavaScript ianao vao afaka mahita azy. miaraka amin'ny solonanarana.

 

Vakiteny Androany

Fandalinam-pinoana

TARATASIN’NY PAPA BENOÎT XVI HO AN’NY KAREMY 2009 Ry Rahalahy sy Anabavy malala Eto ampanombohana ny Karemy, izay lalana fanazaran-tena ara-panahy mavitrika, dia fombam-pivalozana telo tena mifanaraka amin’ny Baiboly sy ny lovantsofina kristianina no...
  Araka ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika, ny sakramenta[1] fanosorana ny marary, dia sakramenta manasitrana , nokendrena hanome fahasoavana manokana ny kristianina misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho ny fahanterana. Ny...
Tsy vao voalohan'ny lahatsoratra mikasika ny Katolika sy ny sary vongana ity lahatsoratra ity. Ary tsy vao voalohany iezahana manazava ihany koa hoe ahoana marina no fandraisan'ny Katolika ireny sary vongana ireny. Natao ho an'ny Katolika indrindra ity lahatsoratra ity, satria...
Amin’ny maha Eveka anay, dia manana adidy izahay hampianatra sy hitantana ny Mpino Katolika iandraiketanay ao amini’ Kristy. Isan’ny zava-dehibe ampianarin’ny Fiangonana Katolika ny fitandrovana ny aina. Io fampianarana io dia nipoitra avy amin’ny lalànan’ny natiora ary efa...
Image Fanazavana ny tantara sy ny dikan'ny Karemy eo amin'ny fiainam-panahintsika. Inona ny Karemy ? Ny Karemy dia 40 andro nataon'ny fiangonana hibebahana mba hiomanan'ny mpino amin'ny fankalazana ny Fahababoam-pon'ny Tompo, ny Nahafatesany ary ny Nitsanganany...

Vaovaom-piangonana

Alahady faha-efatra Fankalazana ny Paka Hafatry ny Papa Ray Masina ho an’ny andro iraisam-pirenena faha-46 hivavahana manokana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra. “ny fitokiana amin’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny valin-tenintsika olombelona” Ry rahalahy...
Natolotry ny Papa antsika ny 30 novambra lasa teo ny Ansiklika faharoa nosoratany. Spe salvi, novonjen'ny fanantenana no teny nanombohany azy. Efa milaza sahady koa ny votoatiny sy ny tian-kasiana tsindrim-peo izany. Fitiavana Andriamanitra (Deus Caritas est) no voalohany. Milaza fa ny...
Tamin'ny 19 jiona 2007 teo no navoakan'ny tao Vatikana ny didy folon'ny mpamily fiarakodia izay adikako malalaka aminao ireto (jereo eto).     1- Aza mamono olona 2- Aoka mba ho fitaovam-pifamoivoizana mampiombona ny olona ny lalana...
HAFATRA  NOHO NY FANANDRATANA AN’I FRERE RAPHAEL  LOUIS RAFIRINGA HO OLONTSAMBATRA       “Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny Teninao no fahamarinana” (Jo 17, 23) Ry kristianina sy  vahoaka Malagasy tsy...
Ho antsika vahoaka sy mponina eto an-tanàna Fianarantsoa renivohitra. Mandray tànana antsika, ary miara-miondrika amin’izao patsa iray tsy omby vava izao. Arak’izay voalazan’ny mpaminany Ezekiela, 2,7, anirahana ny zanak’olona, hoe lazao aminy ihany ny teniko na hihaino izy ireo na...
COMMUNIQUE DE PRESSE Ambohimanambola, 09 mars 2009, Les représentants de Monsieur Le Président de La République Marc Ravalomanana et de Monsieur Andry Rajoelina se sont rencontrés régulièrement et ont tenu des discussions constructives sur les moyens de dénouer la crise que traverse...
LE LEADER S'EXPRIME TOUJOURS PAR LE « NOUS»   Je ne connais pas l'Afrique; mais elle me fait chaud au coeur. Je sens sur ma peau son soleil ardent, ses prairies immenses et ses forêts profondes. Le tam-tam de ses gens qui convoquent la population...