• Malagasy
  • French
  • English

FALY NY RAY MANDRAY ILAY ZAZA MPANDANY NAHALALA NODY.[1]

Eo ampiomanana amin’ny Paka, mitozo amin’ny vavaka, ny famolahan-tena sy ny asa fitiava-namana, dia manasa antsika ny Fiangonana amin’ity Alahady ity mba hiravoravo, hienta-kafaliana sy ho dibo-kafaliana ao am-po (Tononkira fidirana Laetare). Eo am-pizorana mankamin’ny Paka manko isika , dia mankalaza ny Pakan’i Kristy. Ny fiombonantsika amin’i Kristy ihany manko no hahafahantsika miova fo sy miandrandra fahafahana marina tokoa.

Ambaran’i Md Paoly fa na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy (2Kor 5, 17-21) satria i Jesoa, ilay Fihavanantsika (Ef 2, 14) no nampiavanan’Andriamanitra antsika aminy. Tsy misy fampihavanana sy fibebahana marina araka izany raha tsy mandalo ao amin’i Kristy. Ambaran’i Paoly manko fa ny tena fibebahana marina dia Fihavanana amin’Andriamanitra. I Kristy no nanaiky ho Sorom-panonerana noho ny ota (Lev 5 – 6) ka nanaiky ho tonga nofo, hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra ao aminy.

Ny Evanjely omaly (sabotsy 3 karemy)  dia manampy antsika hahazo ny hasin’ny Soron’i Kristy. Ilay Farisiana sy Poblikàna tany an-tempony dia nampisehoan’i Jesoa ny toe-po amam-panahy hoentintsika manolotra ny vavaka amam-panatitra ho an’Andriamanitra mba hahazoana ny fahamarinana, mody any a n-trano (Lk 18, 9-14). Ilay farisiana dia nanolotra ny fananany sy ny ambim-bavany, hany ka nanadino ny tenany… ilay poblikana kosa, nanolotra ny tenany sy ny fahosany… izany no lazain’i Kristy hoe : tsy ekenao ny Sorona… koa ity aho tonga hanao ny sitra-ponao (Hb 10, 7 // Sal 40). Mazava loatra araka izany fa ny fanoloran-tenantsika amin’Andriamanitra no mampisy heviny ny Sorona Masina ankalazaintsika.

Miankina amin’ny fahazoantsika ny hevitry ny fahotana anefa izany. Tsy sanatria manko henatr’olona no mampalahelo antsika fa fanitsakitsaham-pitiavana, henatra ilay ray tia antsika, satria nanota tamin’ny lanitra, teo anatrehan’ny Fitiavan’ny Ray. Ny fahotana araka izany dia ny tsy fahalalana sitraka manoloana ny fitiavana, ka zary fahotana manohitra ny Lanitra. Ny fibebahana kosa, dia ilay fiverenana ao anaty, fiverenana amin’ny tena (mody ny saina, hoy ny evanjely) ka hahatsapana fa ny fitiavana ihany no hahavelona, ny fitiavana ihany no mahasambatra, fa tsy sanatria ny filibàna na ny mety ho hafhinaretana mandalo…

 

Ambaran’ity fanoharan’ny Evanjely ity ary fa tsy ny fananana no mahasambatra, fa ny maha-zanaka. Tsy ny fijanonana ao an-tranon-dray akory aza, tahaka ilay zoky nalahelo ny fiverean’ny zandriny, fa ny fahaizana mifaly amin’ny fifankatiavana sy ny fisiana. Tsy ny fananana ary no maha-sambatra fa ny maha-zanaka izay tsy hay atakalo vola aman-karena.

 

Tsy ho fivelomana amin’ny mana milatsaka avy any an-danitra anefa izany sanatria (Jos 5, 9-10-12) fa fiandrandrana ny vokatry ny tany, na dia mety ho hatsembohana sy harerahana aza no hahazoana izany. Ho anao izay afaka mamaky ity hafatra ity dia mazava loatra, voaantso ianao mba hanimpy, na dia ny am-bimbava ihany aza ho an’ireo tsy mahalala akory aza fa misy ny internet hahafahana mifandray sy mifanampy…

Ity ory velon’antso ka novalian’ny Tompo, hoy ny salamo setriny (Sal 33)… isika no tanana atsotran’Andriamanitra hamaly ny antson’ireo mitofezaky ny hanoanana, maniry ny hivoky ny hodim-bomanga omena ny kisoa, saingy indrisy… mandalo krisy avokoa, hatramin’ny fifampizarana ny mofo… mariky ny maha-kristianina.

Hiezahantsika ary ny hiaina ny maha-kristianina antsika, ka na ho inona mety ho hamafin’ny fiainana, na ho sanatria ho inona henatry ny fahalavoana, dia hino fa ao amin’i Kristy, afaka miha-vao mandrakariva isika, ary hanamafy ny finoan-drazana, tsy sanatria amin’ny tanana zatra mitsotra, fa amin’ny  toetra ratsy izay azontsika hovana… Miankina amin’ny fahatsapantsika ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amintsika anefa izany. Hirairaintsika matetika ny hira… Matoa aho anie toy izao… saingy, manoloana ny hafa, satrintsika hifosa sy hitantara ny fahalemena , sitrany hahay hanamarinan-tena… kanefa raha mahatsapa isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha-isika antsika, dia ho tonga vavaka ny hasosorana noho ny halemen’ny hafa, ho zary fikaonan-doha hijerena izay mahasoa sy hiverenan’ny zaza mpandany ny takoritsika hampanalavirana azy ny tranon-dray….

Mbola lavitra ny lalana hiainana ny Evanjely… matoky anefa isika fa handresy miaraka amin’i Kristy, ka ho tonga any amin’ny tany nampanantenaina sy antenaintsika…



[1] Amin’ity taona ity dia mbola hovakiantsika ny Evanjelin’ny zaza mpandany ny alahady 24 D, 12 septambra

Tonga soa

Image

Faly miarahaba anao tonga mitsidika sy hitoetra eto amin'ity takelaka ity. Takelaka izay hanampy anao hiaina araka ny Fanahy. Nomen'Andriamanitra fitaovana maro isika hampielezana ny teniny sy hanitarana ny Fanjakany, koa mahafaly ny mampiasa ity takelaka ity sy mizara azy ho anao mba ho fandraisana anjara amin'izany iraka lehibe izany.

Handray anjara amin'ny takelaka

Raha misy te hanoratra lahatsoratra eto amin'ny takelaka dia mila misoratra anarana ao amin'ny serasera.org aloha raha mbola tsy mpikambana (Jereo eto). Avy eo dia mandefasa hafatra ho an'ny adiresy Ity adiresy imailaka ity dia voaaro amin'ny spam. Mila mampiasa JavaScript ianao vao afaka mahita azy. miaraka amin'ny solonanarana.

 

Vakiteny Androany

Fandalinam-pinoana

TARATASIN’NY PAPA BENOÎT XVI HO AN’NY KAREMY 2009 Ry Rahalahy sy Anabavy malala Eto ampanombohana ny Karemy, izay lalana fanazaran-tena ara-panahy mavitrika, dia fombam-pivalozana telo tena mifanaraka amin’ny Baiboly sy ny lovantsofina kristianina no...
  Araka ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika, ny sakramenta[1] fanosorana ny marary, dia sakramenta manasitrana , nokendrena hanome fahasoavana manokana ny kristianina misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho ny fahanterana. Ny...
Tsy vao voalohan'ny lahatsoratra mikasika ny Katolika sy ny sary vongana ity lahatsoratra ity. Ary tsy vao voalohany iezahana manazava ihany koa hoe ahoana marina no fandraisan'ny Katolika ireny sary vongana ireny. Natao ho an'ny Katolika indrindra ity lahatsoratra ity, satria...
Amin’ny maha Eveka anay, dia manana adidy izahay hampianatra sy hitantana ny Mpino Katolika iandraiketanay ao amini’ Kristy. Isan’ny zava-dehibe ampianarin’ny Fiangonana Katolika ny fitandrovana ny aina. Io fampianarana io dia nipoitra avy amin’ny lalànan’ny natiora ary efa...
Image Fanazavana ny tantara sy ny dikan'ny Karemy eo amin'ny fiainam-panahintsika. Inona ny Karemy ? Ny Karemy dia 40 andro nataon'ny fiangonana hibebahana mba hiomanan'ny mpino amin'ny fankalazana ny Fahababoam-pon'ny Tompo, ny Nahafatesany ary ny Nitsanganany...

Vaovaom-piangonana

Alahady faha-efatra Fankalazana ny Paka Hafatry ny Papa Ray Masina ho an’ny andro iraisam-pirenena faha-46 hivavahana manokana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra. “ny fitokiana amin’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny valin-tenintsika olombelona” Ry rahalahy...
Natolotry ny Papa antsika ny 30 novambra lasa teo ny Ansiklika faharoa nosoratany. Spe salvi, novonjen'ny fanantenana no teny nanombohany azy. Efa milaza sahady koa ny votoatiny sy ny tian-kasiana tsindrim-peo izany. Fitiavana Andriamanitra (Deus Caritas est) no voalohany. Milaza fa ny...
Tamin'ny 19 jiona 2007 teo no navoakan'ny tao Vatikana ny didy folon'ny mpamily fiarakodia izay adikako malalaka aminao ireto (jereo eto).     1- Aza mamono olona 2- Aoka mba ho fitaovam-pifamoivoizana mampiombona ny olona ny lalana...
 « Convertissez vous et croyez à l’Evangile »   « Que la Paix de Notre Seigneur soit toujours avec vous …..»       L’Eglise Catholique de Madagascar a été éprouvée en ce début d’année. En très peu de temps, elle a perdu deux « raiamandreny » : Son Eminence...
Mibebaha ary minoa ny Evanjely  « Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo… » Nandalo fitsapana ny Fiangonana Katolika tato ho ato satria namoy Raiamandreny roa dia ny Kardinaly Son Eminence Mgr Armand Gaëtan Razafindratandra sy Son Excellence Mgr Joseph Ignace Randrianasolo....
Taona vaovao 2010 Arahaba tratry ny asaramanitra -       Fa eo ianareo Ray aman-dreny maha-zanaka   -      Ianareo zoky maha-zandry herin-tsandry, -      ianareo zandry maha-zoky, mahatoky. -      Ianareo tompon’andraikitra isan-tokony amin’ny fitondrana vahoaka na...
LE LEADER S'EXPRIME TOUJOURS PAR LE « NOUS»   Je ne connais pas l'Afrique; mais elle me fait chaud au coeur. Je sens sur ma peau son soleil ardent, ses prairies immenses et ses forêts profondes. Le tam-tam de ses gens qui convoquent la population...