• Malagasy
  • French
  • English

Mibebaha, miova toetra, fa ny tarehy ratsy no tsy azo hovana

08_luce-regno_di_dio.jpg

Alahady II Karemy

Eo am-panohizana ny fivahinianana, ho amin’ny Tany nampanantenaina, amin’ny fizorana ho amin’ny Pakan’ny fandresena, handresena ny fakam-panahy miaraka amin’i Kristy, amin’ny alalan’ireo fiadiana dia ny vavaka, ny fifadian-kanina sy ny asa fiantrana , dia voaantso haka tahaka an’i Kristy isika, fa indrindra amin’ny fihainoana Azy (Alahady II) ilay Zanaka Malalan’ny Ray.

 

Izany fihainoana azy izany dia tokony hitarika antsika handalina ny momba Azy, hamantatra ny Anaran’ilay andriamanitry ny Razantsika, ilay Andriamanitry ny katesizy sy ny toriteny, mba ho tonga Andriamanitra tsy tantaraina fa hitantarana… hiresahana. Izay no tena vavaka. Vavaka zary iraka, satria ilay Andriamanitra Mpamaly vavaka dia niantso ny Mpanompony ho iraka, hanafaka ny vahoakany (Eks 3, 1-15).

 

Miankina amin’izay fisainantsika ny momba an’Andriamanitra manko ny fiainantsika sy izay mety ho fitondrantenantsika miresaka aminy. Raha izy tokoa no YHWH, Ilay misy, ho antsika, ka ekentsika fa na ny fisiantsika aza, dia miankina amin’ny fisiany…

 

Ny fananaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa anefa dia tokony hampitandrina antsika marina tokoa. Tsy izay rehetra niampita ny Ranomasina mena, na izay niala hetaheta tamin’ny rano tam-batolampy tsy akory no niditra ny tany nampanantenaina… izany hoe, tsy izany vita batemy na nandray komonio tsy akory no ho tonga any an-danitra… tsy ho tonga any ireo naka fanahy an’Andriamanitra (I Kor 10, 1-12). Raha tiantsika ny hizotra ho amin’ny tany nampanantenaina dia tsy maintsy hiezaka isika ho sitrak’Andriamanitra, amin’ny fanahafana ny Zanany.

 

I Kristy dia nanome fotoana antsika mba hamoazana… nohevoiny ny tany, amin’ny sakramenta atolony hahalonaka ny fiainantsika, nomeny ho zezika ny tenany, mba hivelomantsika ao aminy. Saingy isika mivelona aminy, mihinana ny sakafom-panahy arosony, dia mila miara-misalahy aminy. Tsy haninkanim-poana manko ny Eokaristia, hoy Itolpokolahy Kardinaly izay, fa hanin’ny mpanao zavatra.

 

Zavatra inona no hataontsika? Hiverina any Ejipta mba hanafaka ny vahoakany! Avy any i Moizy no nitsoaka, natahotra ny ho faty, nanavotra aina… saingy voairaka mba hanao sorona ny ainy mba hanavotra ny vahoakan’Andriamanitra. Izay fahavononana izay, dia miankina amin’izay Andriamanitra hinoantsika. Andriamanitra miangavy antsika mba hanesotra ny kapa mba hahatsapantsika mivantana fa mandia tany isika, ka mila mitandrin-tena mba tsy ho lavo (Vak II).

 

Mila fibebahana sy fiovana toe-tsaina iznay, mha hahatsapana mandrakariva ny fitiavana amam-pamindram-po arotsak’Andriamanitra ho antsika isanandro vaky (sal 102). Izany no manomana antsika ho amin’ny tena fibebahana marina, tahaka ilay zanaka mpandany, maniry hverina an-tranon-drainy (Alahady IV)

 

Tonga soa

Image

Faly miarahaba anao tonga mitsidika sy hitoetra eto amin'ity takelaka ity. Takelaka izay hanampy anao hiaina araka ny Fanahy. Nomen'Andriamanitra fitaovana maro isika hampielezana ny teniny sy hanitarana ny Fanjakany, koa mahafaly ny mampiasa ity takelaka ity sy mizara azy ho anao mba ho fandraisana anjara amin'izany iraka lehibe izany.

Handray anjara amin'ny takelaka

Raha misy te hanoratra lahatsoratra eto amin'ny takelaka dia mila misoratra anarana ao amin'ny serasera.org aloha raha mbola tsy mpikambana (Jereo eto). Avy eo dia mandefasa hafatra ho an'ny adiresy Ity adiresy imailaka ity dia voaaro amin'ny spam. Mila mampiasa JavaScript ianao vao afaka mahita azy. miaraka amin'ny solonanarana.

 

Vakiteny Androany

Fandalinam-pinoana

TARATASIN’NY PAPA BENOÎT XVI HO AN’NY KAREMY 2009 Ry Rahalahy sy Anabavy malala Eto ampanombohana ny Karemy, izay lalana fanazaran-tena ara-panahy mavitrika, dia fombam-pivalozana telo tena mifanaraka amin’ny Baiboly sy ny lovantsofina kristianina no...
  Araka ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika, ny sakramenta[1] fanosorana ny marary, dia sakramenta manasitrana , nokendrena hanome fahasoavana manokana ny kristianina misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho ny fahanterana. Ny...
Tsy vao voalohan'ny lahatsoratra mikasika ny Katolika sy ny sary vongana ity lahatsoratra ity. Ary tsy vao voalohany iezahana manazava ihany koa hoe ahoana marina no fandraisan'ny Katolika ireny sary vongana ireny. Natao ho an'ny Katolika indrindra ity lahatsoratra ity, satria...
Amin’ny maha Eveka anay, dia manana adidy izahay hampianatra sy hitantana ny Mpino Katolika iandraiketanay ao amini’ Kristy. Isan’ny zava-dehibe ampianarin’ny Fiangonana Katolika ny fitandrovana ny aina. Io fampianarana io dia nipoitra avy amin’ny lalànan’ny natiora ary efa...
Image Fanazavana ny tantara sy ny dikan'ny Karemy eo amin'ny fiainam-panahintsika. Inona ny Karemy ? Ny Karemy dia 40 andro nataon'ny fiangonana hibebahana mba hiomanan'ny mpino amin'ny fankalazana ny Fahababoam-pon'ny Tompo, ny Nahafatesany ary ny Nitsanganany...

Vaovaom-piangonana

Alahady faha-efatra Fankalazana ny Paka Hafatry ny Papa Ray Masina ho an’ny andro iraisam-pirenena faha-46 hivavahana manokana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra. “ny fitokiana amin’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny valin-tenintsika olombelona” Ry rahalahy...
Natolotry ny Papa antsika ny 30 novambra lasa teo ny Ansiklika faharoa nosoratany. Spe salvi, novonjen'ny fanantenana no teny nanombohany azy. Efa milaza sahady koa ny votoatiny sy ny tian-kasiana tsindrim-peo izany. Fitiavana Andriamanitra (Deus Caritas est) no voalohany. Milaza fa ny...
Tamin'ny 19 jiona 2007 teo no navoakan'ny tao Vatikana ny didy folon'ny mpamily fiarakodia izay adikako malalaka aminao ireto (jereo eto).     1- Aza mamono olona 2- Aoka mba ho fitaovam-pifamoivoizana mampiombona ny olona ny lalana...
 « Convertissez vous et croyez à l’Evangile »   « Que la Paix de Notre Seigneur soit toujours avec vous …..»       L’Eglise Catholique de Madagascar a été éprouvée en ce début d’année. En très peu de temps, elle a perdu deux « raiamandreny » : Son Eminence...
Mibebaha ary minoa ny Evanjely  « Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo… » Nandalo fitsapana ny Fiangonana Katolika tato ho ato satria namoy Raiamandreny roa dia ny Kardinaly Son Eminence Mgr Armand Gaëtan Razafindratandra sy Son Excellence Mgr Joseph Ignace Randrianasolo....
Taona vaovao 2010 Arahaba tratry ny asaramanitra -       Fa eo ianareo Ray aman-dreny maha-zanaka   -      Ianareo zoky maha-zandry herin-tsandry, -      ianareo zandry maha-zoky, mahatoky. -      Ianareo tompon’andraikitra isan-tokony amin’ny fitondrana vahoaka na...
LE LEADER S'EXPRIME TOUJOURS PAR LE « NOUS»   Je ne connais pas l'Afrique; mais elle me fait chaud au coeur. Je sens sur ma peau son soleil ardent, ses prairies immenses et ses forêts profondes. Le tam-tam de ses gens qui convoquent la population...